Any Ivelany

Nicolas Sarkozy Mety higadra 10 taona


  • Zoma 23 Martsa 2018

Mitohy ny fanadihadiana ataon’ny fitsarana amin’Atoa Nicolas Sarkozy. Kolikoly, fandraisana sy fanodinkodinana ny volan’ny vahoaka Libianina no vesatra hanenjehana azy.

 Migadra 10 taona an-tranomaizina ingahy Sarkozy raha voaporofo fa tena nanao ireo fandikan-dalàna ireo. Fanenjehana tsy mitombina miampy famoronana dosie no mahazo ahy, hoy izy manoloana ireo mpitsara omaly. Ahiana ho nahazo famatsiam-bola tsy ara-dalàna nampiasainy tamin’ny fampielezan-kevitry ny fifidianana 2007 ity filoham-pirenena frantsay teo aloha ity, ka voalaza fa avy any Libia no niavian’ny vola. Tsy misy porofo mivaingana akory ny fiampangana ahy, hoy i Nicolas Sarkozy. Nanomboka ny taona 2011 no efa manan-draharaha tamin’ny fitsarana izy ary nilaza omaly fa tena mafy ho azy ny fanenjehana atao aminy. 

Mpiasam-panjakana any Frantsa

Mitokona noho ny fihenan’ny fahefa-mividin’izy ireo

Mpiasam-panjakana sy mpiasan’ny orinasan-dalamby manodidina ny 49 000 no nitokona sy nidina an-dalambe tao Paris renivohitra Frantsay omaly ho fanoherana ny drafi-panitsian’ny governemanta eo amin’ny sehatry ny asa. Tsy rariny loatra raha mitombo ny asa ampanaovina anay kanefa tsy mihetsika ny karama, hoy ireto mpiasa ireto. Milaza izy ireo fa tena nihena be ny fahefa-mividin’izy ireo, izany hoe mahatsapa tena ho miha sahirana eo amin’ny fivelomany andavanandro ny mpiasa any Frantsa. Anisan’ny nanatevin-daharana ny fihetsiketsehana ihany koa ny mpiasan’ny fahasalamana sy ny eo amin’ny tontolon’ny fampianarana izay mahatsiaro sahirana tokoa. 

Donald Trump

Vonona hiatrika fanadihadiana

Tsy misy ny olana fa vonona hiatrika ny fakana am-bavany ataon’ny tonia mpampanoa lalana manokana Robert Mueller aho, hoy ny filoha Amerikanina Donald Trump omaly. Manodidina an’ilay raharaha mety nisian’ny fifandraisana teo amin’ny mpiara-miasa amin’ingahy Trump sy ny Rosianina nandritra ny fampielezan-kevitra sy ny fifidianana notanterahana tany Etazonia farany teo ny fanadihadiana. Manaratsy endrika ny fitondran’i Donald Trump tokoa ity raharaha ity satria manomboka mieritreritra ny Amerikanina fa nilaza tsiambaratelo tamin’ny Rosianina ny ekipan’i Trump ary mety tao ambadiky ny paikady goavana naharesy an-dramatoa Hillary Clinton ka nahafahan’i Donald Trump ho lasa filoha ry zareo Rosianina. 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Ady any Moyen-Orient
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Miakatra ny vidim-piainana

  • NEPAL, 7 volana aty
  • Zoma 03 Aprily 2026

aorian’ny tolona Mivadika ho hery politika

  • ADY ANY IRAN
  • Alarobia 25 Martsa 2026

Mihamafy hatrany ny fifandonana,

  • ADIN'NY AMERIKANA SY ISRAËLY
  • Alakamisy 05 Martsa 2026

AMIN'I IRAN

  • Dimy andro
  • Alakamisy 05 Martsa 2026

aty aorian’ny fipoahany

Hijery ny tohiny
FTT