Any Ivelany

Niala sahady ny Praiminisitra Britanika Liz Truss Tsara toerana ho tafaverina i Borris Johnson


  • Zoma 21 Oktobra 2022

Tsy naharitra ela, 45 andro monja taorian’ny nandraisany fahefana naha Praiminisitra Britanika azy, nanambara ny fametraham-pialany ny Praiminisitra Liz Truss,

izay Lehiben’ny governemanta farany tamin’ny fahaveloman’ny Mpanjaka Elisabeth II, ary voalohany tamin’ny Fanjakan’I Charles II. “Tena manaiky aho fa ny zava-misy ankehitriny dia tsy ahafahako tena manatanteraka ny iraka izay nankinin’ny antoko tamiko. Efa nampahafantatra tamin’ny Mpanjaka aho fa hiala amin’ny fitarihako ny Antoko Kaonseravatera”, hoy ny fanambarany tamin’ny mpanao gazety. Isan’ny mampandroso ny vahiny ny fanekena fa tsy tratra ny tanjona, tsy vita ny iraka, manaiky ny fahalemena, miala rehefa tsy mahomby. Nihen-danja tao anatin’ny fotoana fohy ity Praiminisitra ity, ary nihena ny fanohanan’ny antoko azy. Nanamarika izany ny fialan’ny Minisitry ny atitany, olom-boafidy maro niantso ampahibemaso ny fialany. Handao ny toerany noho izany ity Praiminisitra ity, saingy hiantraikaikitra ny fampandehanan-draharaha mandra-pahatanterahan’ny fifidianana izay ho mpisolo toerana azy amin’ny herinandro ambony. Izy hatreto no minisitra voasokajy ho fohy indrindra ny fotoam-pitantanany. Toa miaina anaty krizy politika ara-pitantanana hatrany I Royaume-Uni niainga tamin’ny dingana fialana tamin’ny Vondrona Eoropeanina, izay nampiala ny Praiminisitra Theresa May ny volana mey 2019. Niditra I Borris Johnson, ary nametra-pialana ny volana septambra teo, rehefa niharatsy ny toerany tao anatin’ny Antoko. Isan’ireo voalaza fa hiverina hifaninana ho Praiminisitra I Borris Johnson, ary voasokajy ho “favori” amin’izao fotoana izao.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Ady any Moyen-Orient
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Miakatra ny vidim-piainana

  • NEPAL, 7 volana aty
  • Zoma 03 Aprily 2026

aorian’ny tolona Mivadika ho hery politika

  • ADY ANY IRAN
  • Alarobia 25 Martsa 2026

Mihamafy hatrany ny fifandonana,

  • ADIN'NY AMERIKANA SY ISRAËLY
  • Alakamisy 05 Martsa 2026

AMIN'I IRAN

  • Dimy andro
  • Alakamisy 05 Martsa 2026

aty aorian’ny fipoahany

Hijery ny tohiny
FTT