Any Ivelany

NETANYAHU SY BEN SALMANE


  • Talata 24 Novambra 2020

MANDA NY NISIAN’NY FIHAONANA NY SAODIANINA Niely ny resaka ny alahady teo fa nitsidika mangingina tany Arabie Saoudite sy

 

 

nihaona tamin’ny Mpanjaka Mohamed Ben Salmane ny Praiminisitra Israelianina Benaymin Netanyahu. Tafiditra tao anatin’ny fotoana nitsidihan’ny Sekreteram-panjakana Mike Pompeo tany Arabie Saoudite ny fotoana. Tsy mbola nisy firy teo amin’ny tantara anefa izany fitsidihana Praiminisitra Israelinina any Arabie Saoudite izany, ary marefo ny fifandraisana ara-diplaomatika. Nandiso ankitsirano io resaka fihaonana io ny Minisitry ny raharaham-bahiny Saodianina omaly. Ny alahady teo dia nihazo an’I Neom izay “station baléaire” Saodianina any amin’ny Ranomasina Mena ny fiaramanidina tsy miankina efa nitondra an’i Benaymin Netanyahu, izay niainga avy tao Tel-Aviv, ary tany no voalaza fa nihaonan’i Mike Pompeo, Netanyahu, ary Ben Salman, saingy nodisoin’ny Saodianina.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Faha-250
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

taonan’ny fahaleovantenan’i Etazonia

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

Hijery ny tohiny
FTT