NEPAL, 7 volana aty

aorian’ny tolona Mivadika ho hery politika


  • Zoma 03 Aprily 2026

matanjaka ny GEN Z

7 volana aty aorian’ny tolona nanonganana ny governemanta nataon’ny tanora Gen Z dia voatendry ho praiminisitry Népal ilay mpanao Rap sady ben’ny tanànan’’i Katmandou teo aloha Balendra Shah.Manohana azy ny tanora Népalais, izy no heverina fa hitondra ny fanovana sy faavaozana sy hanova ny fomba ratsy fanaon’ireo mpitondra sy mpanao politika teo aloha. Tsy mety intsony ireo mpanao politika nahazatra hatrizay hoy ny tanora any an-toerana satria milomano anaty kolikoly, tsy nahavita nampandroso ny firenena ary tena nanao anjorombala ny tanora.sokajiana ho mahantra ny 50% n’ny Népalais, ny 40% n’ireo mponina amin’ny tanan-dehibe no miaina any ambany tanàna amina toeram-ponenana tsy zarizary (bidons villes) Ireo mpitondra sy mpanao politika ireo miaraka amin’ny fianakaviany anefa dia hita ho tena miaina anaty harena , tsy miraharaha ny marary ny vahoaka Népalais ka izay no nampitroatra azy ireo ny volana septambra 2025 ka nandrodana ny fanjakana.

IREO FITAKIANA
15 ka hatramin’ny 24 taona ny 20% n’ny vahoaka Népalais, ireo no nitaky ny fampitsaharana ny kiatanoantrano amin’ny fitantanana ny firenena, manarak’izay takian’izy ireo ny famoronana asa ao an-toerana mba tsy hivoahan’ny tanora any ivelany lasa mila ravinahitra anya mina firenen-kafa, fitakiana goavana nataon’ny tanora ihany koa ny fahalalahana maneho hevitra amin’ny tambazotra sosialy saria avy amin’io no handridrana ny asa sy ny zavatra rehetra atao.

GEN Z MIVADIKA HO HERY POLITIKA
An-dalana ny fanovana any Népal, mbola marefo ihany anefa ny toe-draharaha amin’izao fotoana, tsy tena mbola misy fitoniana. Mbola misy ireo tsy maty voalavo an-kibo tamin’ny fitondrana teo aloha, mbola velon’ahiahy ny amin’ny zavatra mety ketrehina na konokononon’ireo mpanao politika nambotry firenena ireo tanora.Niainga tamina hetsika fitakiana ny Gen Z any Népal ary miofo tsikelikely ho lasa hery politika matanjaka sy manana ny anjara toerany ao amin’ny firenena. Tsy maintsy ho avy ny fifidianana dia miomana ny amin’izany ny Gen Z any Népal mametraka rafitra sy fomba fiasa. Tsy maintsy misy moa ny fanatsarana eo amin’ny fomba fikarakarana fifidianana , ny fanitsiana ireo rijan-teny sy andinin-dalana mba hifanaraka amin’ny fitakiana natao sy mametraka ho ambony ahtrany ny tombotsoa iombonana hampivoatra ny fiainana sy hampandroso ny firenena. Légende : Balendra Shah no praimininsitra heverin’ny tanora Népalais fa hitondra ny tena fanovana
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT