Nanamafy ny daroka baomba any Ukarine i Rosia

Hanetsika 800 miliara euros hiarovany tena i Eoropa


  • Alatsinainy 10 Martsa 2025

Mitohy sy mihamafy ny daroka baomba ataon'ny tafika Rosiana any Ukraine.

Tao anatin’iny herinandro lasa iny, nahatratra 1200 ny baomba voabaiko nalefan’ny Rosia, niampy drones manodidina ny 870,… Farafahakeliny, balafomanga 58 sy drôna 194 no nalefan'ny tafiky Vladimir Poutine tamin'ireo toby famokarana angovo sy entona manerana an’i Okraina, alina nialohan’ny zoma 7 martsa teo. Olona 15 no maty tany atsinanan'i Ukraine ny alin'ny zoma hifoha sabotsy teo noho ny zera baomba mahery vaika. Miha mafy ny fanafihana, ka mazava izao fa tsy niova mihitsy ny tanjon'i Vladimir Poutine, hoy ny filoha Okrainiana Volodymyr Zelensky. Nilaza ho niaro tena ny tafika okrainianina, ka ankoatra ny fitaovam-piadiana mahazatra, nampiasa fiaramanidina mpiady frantsay izay nampiasainy voalohany tamin’ity fanafihana ity. Nilaza i Ukraine fa nahavita nanakana 134, ka dia baomba na balafomanga 34 sy drônes 100, indrindra noho ny fampiasana ny fiaramanidina Mirage 2000. Ireo fiaramanidina mpiady frantsay, izay vao iray volana monja no tonga tao Ukraine. Manamafy hatrany ny Eoropeana fa eo anilan'i Ukraine ary hanampy azy. Izay ny fanomezan-toky ambony latabatra fa andrasana ny fanatanterahana azy. Nanolo-kevitra ny hanetsika vola hatrany amin’ny 800 miliara euros ho an’ny Fiarovan-tenany ny any Eoropa ka manohana an’io ireo Filoham-panjakana sy governemanta mpikambana ao anatin’ny Vondrona Eoropeanina, raha ny filazan’ny Filohan’ny Kaomisionina Eoropeanina Ursula Von der Leyen. Tsy mieritreritra ny hanapaka ny rohy amin’i Etazonia kosa. Miha mangotraka indray ny famelezana an’i Ukraine, izay ady stratejika sy jeopolitika lehibe, raha somary nangingina kokosa ny any Gaza sy ny manodidina.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT