Any Ivelany

Mpivaro-toaka eny Ambavahaditokana Ho hentitra ny fanaraha-maso


  • Zoma 22 Jona 2018

Feno ny fandaharam-potoanan’ny kaominina ambanivohitra Ambavahaditokana, distrikan’Atsimondrano,

 mandritry ny fankalazana ny faha-58 taonan’ny fahaleovantena, hoy ny fanazavan’ny ben’ny tanàna ao an-toerana, Bruno Ratianarivo, manomboka anio zoma 22 jona dia efa nisy ny hetsika ara-panatanjahantena sy ara-kolontsaina handraisan’ireo tanora eny an-toerana anjara. Anisan’izany ny kalokalo gasy sy ny basikety. Hitohy amin’ny fizarana sakafo sy harendrina izany, indrindra, ho an’ireo sahirana ny sabotsy. Ny 25 sy 26 jona moa dia hiavaka ny afomanga 30 minitra sy ny « Bal populaire » ary tsy adino ny matso handraisan’ireo tafika miasa eny an-toerana, ny mpianatra ary fikambanana samihafa anjara. Mandritr’ireo fotoana ireo, hoy izy, dia ho hentitra ny fanaraha-maso ireo mpivarotra zava-pisotro mahamamo ary izay mbola tratra mivarotra tsy lera dia handraisan’ny mpitandro ny filaminana ny andraikiny.

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT