Any Ivelany

Mpitondra Afrikanina Manomboka miala amin’ny fatoran’ny mpanjanan-tany ...


  • Sabotsy 02 Mey 2020

Nivory tamin’ny alalan’ny “visioncoférences” ny mpitondra Afrikanina maromaro ny alakamisy lasa teo nandihana ny fiatrehana ny Coronavirus.

 

 

 

 

 Niara-nikaon-doha tamin’izany ny Filohan'ny Fikambanan'ireo. Firenena Afrikanina sady filohan’i Afrika Atsimo, Cyril Ramaphosa, ny Filohan'ny Repoblikan’i Tchad, Idriss Déby, Filohan'I Gabon, Ali Bongo Ondimba, Filohan'i Niger, Mahamadou Issoufou, Filohan'i Rwanda, Paul Kagame, Filohan'i Kenya, Uhuru Kenyata, Filohan'ny Repoblika Arabon’i Ejipta, Abdel Fattah al-Sissi, Filohan'ny RD Congo, Félix Tshisekedi, Filohan'I Mali, Ibrahim Boubacar Keïta, ary ny Filoha Malagasy Andry Rajoelina. Manomboka mamaha tsimoramora ny fatorana amin'ny vazaha mpanjanatany amin'izay ve izany i Afrika ? Kaontinanta be mponina tanora indrindra, manan-karena amin’ny resaka natiora sy harena voajanahary I Afrika, saingy toa natao tohatra fiakarana sy fakana akora fototra. Eo amin’ny resaka politika foana no olana satria ezahin’ny mpanjanaka fehezina sy ampiadiana. Nampahafantatra ilay Tambavy CVO moa I Andry Rajoelina tao anatin’ity fifampiresahana ity, nilaza fa nanasitrana ary nahomby kokoa noho ny fampiasana chloroquine io. Naneho fa tena ao anatin’ny ady lehibe izao tontolo izao ary amin’ny fahavalo tsy hita maso, ka tsy basy sy bala no fiadiana, fa ny faharanitan-tsain’ireo siantianfika sy ireo harena voajanahary. Oran’ny firaisankina Afrikanina izao, ary fotoana hanampiana ny tanora sy siantifika, raha ny nambarany hatrany. Asa raha hanomboka hitsoaka ny rivo-baovao ho an’i Afrika na ahoana?

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT