Any Ivelany

Mpiasan’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny “Apetraho amin’ny hasiny ny diplomasia Malagasy”


  • Zoma 08 Jona 2018

Manoloana ny fihazakazahan’ny toe-draharaha eto amin’ny firenena dia miha maro hatrany ny fitokonana sy ny fanehoan-kevitra.

Omaly no nanatanteraka fitokonana tetsy amin’ny foibeny tetsy Anosy ihany koa ny mpiasan’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny. Tokony hisy ny fametrahana rafi-pandaharan’asa mazava (plan de carrière) sy ny fanomezana tambin-karama ny mpiasa rehetra tsy ankanavaka araka ny fitakian’izy ireo. Izany dia ahafahana mahafantatra mazava ny andraikitry ny mpiasa sy ny fizotry ny asany ao amin’ny minisitera. Raha tiana hahomby sy hisy hasiny ny diplaomasia dia tokony homen-danja hatrany ireo olona miasa ao tahaka ny fametrahana io plan de carrière io mba tsy hisy intsony ny antsojay atao amin’ireo toerana tokony ho an’ny mpiasa ao amin’ny raharaham-bahiny. Mampalahelo, hoy izy ireo, fa misy ny ambasady vitsy na tsy misy mpiasan’ny raharaham-bahiny mihitsy ao anatiny. Farany moa dia niala tsiny izy ireo ny amin’ny fanakorontanana mety haterak’izao hetsika ataon’izy ireo izao.

Tsiry

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT