Any Ivelany

Mpiasan’ny fahasalamana Mitaky vahaolana mahomby


  • Alarobia 10 Jona 2020

Mampiaka-peo sy manaitra ny fanjakana ny sendikan’ny mpitsabo mpanampy, ny sendikan’ny infirmiera sy ny mpampivelona, ary miantso ny mpiasan’ny fahasalamana hiara-hientana aminy mandritra ny hetsika hataon’izy ireo ny zoma 12 jona izao.

 

 

 Ho an’ny eto Antananarivo, dia eny amin’ny HJRA Ampefiloha izy ireo no hifampitaona. Ho an’ny any amin’ny faritra kosa dia manana ny toromarika ireo mpitarika tsirairay, ary efa misy toerana eritreretiny avy hanaovana izany. Manao antso avo amin’ny fiarovana ny ain’ireo mpiasan’ny fahasalamana sy mitaky fikaroham-bahaolana mahomby mba handresena ny fahavalo iraisana dia ny covid-19 izy ireo. Mamaky bantsilana hatrany ny tsy fahampian’ny fitaovam-piarovana, izay mitarika fahazoana ny valanaretina ho azy ireo. Eo ihany koa ny fitsinjarana ny tambin-karama izay tsapan’izy ireo fa misy tsy ara-drariny. Ankoatra izay, dia mitaky ny fanomezana fanofanana ireo mpiasan’ny fasalamana sy ny fanomezana fampitaovana fiarovan-tena isam-batan’olona na EPI hatrany izy ireo. Maniry hatrany ny hisian’ny fandrisihana sy tambiny tambiny ara-drariny amin’ny asa ataony. Araka ny taratasy nalefan’izy ireo any amin’ny Praiminisitra Lehiben’ny governemanta, dia nilaza ireo tompon-kevitra, fa tsy grevy no hatao. Hanohy ny asany hatrany ireo manana andraikitra ao anatin’izao hamehana ara-pahasalamana izao, hoy ny mpitarika.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Faha-250
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

taonan’ny fahaleovantenan’i Etazonia

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

Hijery ny tohiny
FTT