Any Ivelany

MPAMORONA LAMAODY FANTA-DAZA NODIMANDRY OMALY I PIERRE CARDIN


  • Alarobia 30 Desambra 2020

Nodimandry omaly teo amin’ny faha-98 taonany i Pierre Cardin, ilay teratany

 

Frantsay namorona ny marika fanta-daza eo amin’ny tontolon’ny lamaody sy ny fitafy “Pierre Cardin” nampitondraina ny anarany. “Ny antom-pisiako eo amin’ny fiainana, dia ny lamaody”, hoy ny teny filamatra napetrany, ary tsy nitsaha-nikaroka izy, izay tonga olona mpampiasa vola sy mpandraharaha malaza iraisam-pirenena. Italianina no tena fihaviany, ary tonga tany Frantsa ny 1924 teo amin’ny faha-2 taonany izy. Niasa tao amin’ny Orinasa mpanjaitra Christian Dior. Nihaona tamin’ilay mpilalao sarimihetsika Jean Cocteau, ary nanjaitra ny akanjo tamin’ilay horonan-tsary “La belle et la bête”. Niala tao amin’ny Christian Dior teo amin’ny faha-28 taonany, ary nanomboka nivelatra. Firenena 120 eo no misy orinasa manana ny “licence” amin’ny famokarana ny Pierre Cardin. Ny taona 2011, dia notomban’i Pierre Cardin ho 1 miliara euros ny orinasany, saika hamidiny, saingy 200 tapitrisa no nahasahian’ny banky azy. “Misaotra Cardin  tamin’ny nanokafanao varavarana ho ahy teo amin’ny tontolon’ny lamaody, ary nahafahako nanova ny nofy ho tena nisy”, hoy ilay mpanao lamaody malaza Jean-Paul Gaultier. Tao amin’ny Atelier Cardin no nanombohany fiofanana arak’asa, fony izy vao 18 taona.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Faha-250
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

taonan’ny fahaleovantenan’i Etazonia

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

Hijery ny tohiny
FTT