MOYEN ORIENT

Mikatso ny diplaomasia, ambivitra


  • Talata 21 Aprily 2026

ny fipoahan’ny ady mahery vaika

Mihenjan-droa ny tady amin’izao fotoana izao. Raha tokony hisokatra omaly 20 aprily tany Pakistan ny fihaonana an-tampony farany hitadiavam-bahaolana, dia nanda tsy handray anjara I Téhéran, sady nanameloka ny fandrahonana ataon’i Washington. Andro iray mialohan’ny fahataperan’ilay fe-potoana nampitsaharana ny poa-basy dia nanao fanambarana hentitra ny filoha amerikana Donald Trump fa raha tsy misy ny fifanarahana mialoha anio talata 21 aprily alina, dia mitohy ny hetsika ara-miaramila. Eny an-kianja kosa, tena mavesatra ny fahavoazana satria tsy mitsaha-mitombo ny isan’ireo maty. Etsy andaniny, mbola mikatso tanteraka ny fifamoivoizana ao amin’ny Detroit d’Ormuz, miandry izay hitranga ny mpanara-baovao. Raha tsy mahomby ny fifampiresahana ao anatin’ny 24 ora, ahiana hivadika ho ady mivaivay ny zava-misy manomboka ny alarobia izao.
Fifaliana H.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT