Any Ivelany

MONDIAL 2022 ANY QATAR “TSY 28 ANDRO NO HANOVANAY NY FOMBANAY”


  • Alarobia 18 Mey 2022

Hentitra ny fitondrana Qatari mikasika ny tompondaka eran-tany eo amin’ny taranja baolina kitra na « Mondial 2022 » atao any Qatar.

Tsy 28 andro no hanovanay Mondial 2022 any Qatar “Tsy 28 andro no hanovanay ny fombanay” Entitra ny fitondrana Qatari mikasika ny tompondaka eran-tany eo amin’ny taranja baolina kitra na « Mondial 2022 » atao any Qatar. Tsy 28 andro no hanovanay ny fombanay, hoy ny fanambaran’ny fitondrana ao Qatar, tamin’ny alalan’ny minisitry ny raharaham-bahiny ao an-toerana. Aza manandrana akory na dia ny manangana ireny saina maro loko na “arc en ciel” ireny aty fa any amin’ny firenena manaiky izany atao. Tsy mifanaraka amin’ny finoanay sy ny fombanay izany, hoy hatrany ny hafatra. Ny saina “arc en ciel” moa izay mariky ny fanekena ny fiarahan’ireo mitovy fananahana, raha tsiahivina.
KYLIAN MBAPPÉ
“VONONA HANDROMBAKA NY AMBOARA ERAN-TANY IZAHAY”
Nandritry ny tafa niarahany tamin’ny Qatar Airways tao amin’ny tambazotran-tserasera Instagram no nampahafantaran’ilay lohalaharan’ny ekipam-pirenena frantsain’ny baolina kitra, Kylian Mbappé, ny fahavononany sy hambom-pony sahady hiatrika ny fiadiana ny amboara eran-tany ho an’ny baolina kitra atao any Qatar amin’ity taona ity. Nahafaly ahy, hoy izy, ny nianoka ny fahasambarana naha tompondaka eran-tany niaraka tamin’ny Les Bleus, 4 taona lasa izay. Efa tsy andry ihany koa ny hanombohana ity Qatar 2022 ity ary vonona handrombaka indray ny amboara eran-tany izahay, hoy hatrany ity lohalaharana frantsay ity.
Nangonin’i J. Mirija
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT