Any Ivelany

Ministeran’ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra Raikitra ny savorovoro


  • Talata 03 Jolay 2018

Nikorontana tanteraka omaly ny tetsy amin’ny minisiteran’ny paositra sy ny fifandraisan-davitra. Efa fanao mahazatra isaky ny alatsinainy maraina voalohan’ny volana ny manangan-tsaina.

Tsy nipoitra anefa ny minisitra na ireo tompon’andraikitra ambony hatramin’ny 10 ora. Niteraka alahelo tamin’ny mpiasa io satria na inona ady sy tsy fitovian-kevitra dia tsy azo atao tsinontsinona ny fananganan-tsaina fa masina ny firenena.  Nanokana iray minitra mihitsy izy ireo ho mariky ny tsy fahafaliany. Taorian’izay no nanomboka ny sakoroka. Tonga niantsy ady indray mantsy ny mpiaro an’Andriamatoa minisitra Maharante. Nosintonina sady nohitsakitsahina ny lamba mirakitra ny soratry ny fitakiana nataon’ny mpiasa (banderole). Ankoatra izay, nisy ny fikasana fikasihan-tanana mpiasa vehivahy izay mitolona ka nampisafoaka tanteraka ny mpiasa rehetra.  Tsy fantatra marina ireo olona ireo izay mivezivezy sady mandrangitra ny mpiasa fa ny azo antoka dia mpiambina sy olon’ingahy minisitra ireto “gros bras” ireto, hoy ny mpiasa. Amin’ireo olona ireo aza moa dia nisy nanambara fa hamboly adim-poko sy korontana rehefa tsy hilamina ny mpiasa. Nisy namoaka vava be fa “any amin’ny faritra Toliara misy tale Merina nefa tsy atao ohatra izao”. Ny tena nanaitra sy tsy levon’ny vavonin’ny mpiasa ihany koa ny nahatongavan’ny tale jeneraly iray avy any amin’ny FOP nampiaka-peo tao amin’izy ireo nefa tsy misy hidirany mihitsy ny fitakiana atao. Manoloana ny  fampidirana sy fandranitana adim-poko ary ny fandrahonana maro samihafa dia tsy hihemotra izy ireo, araka ny tatitra nataony. Fitakiana fialan’ny minisitra Maharante no ataonay ary tsy manimba zavatra izahay ary marihinay fa tsy hisy mihitsy ny birao mivoha sy mpiasa miasa  mandrapialan’io minisitra io, hoy izy ireo namarana ny teniny.


Tsiry

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT