Any Ivelany

Minisitry ny jono “Ho hazavaina amin’ny antsipiriany ny raharaha Faradofay”


  • Zoma 03 Jona 2022

Nanome toromarika ny amin’ny hahafahana manatsara hatrany ny fiainan’ny tantsaha rehetra manerana an’I Madagasikara ny filohan’ny repoblika, hoy ny minisitry ny jono sy ny toekarena manga,

Mahatante Tsimanaoraty Paubert. Isany ny mpanjono, hoy izy. Herintaona mahery isika izao no tsy nanome alalana hanjono na “licence de pêche”, ankoatran’ny Makamba na “Crevette”. Tsy mety ary tsy rariny sy tsy marina raha miteny isika ankehitriny hoe tsy mijery ny mpanjono madinika ny fitondram-panjakana. Izahay dia mifandray foana amin’ireo mpanjono ireo. Hitanareo ireny fitetezam-paritra be dia be nataoko ireny. Ny tenako dia mbola mifandray foana amin’ireo fiarahamonim-pirenena miara-miasa amin’ny tontolon’ny jono. Ny rehetra dia mahita hoe misy zavatra miova izao. Tena mijery azy ireo ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny fampianarana fiompiana trondro, fametrahana ny fitantanana rehetra mahomby mba hahafahantsika hampiakatra ny farim-piainan’ny mpanjono eto Madagasikara. Betsaka ireo tetikasa mbola ho atao atsy ho atsy. Minoa ahy ianareo fa hitombo sy hihatsara hatrany, indrindra, ny fiainan’ny mpanjono eto Madagasikara. Mikasika ny raharaha Taolagnaro dia milaza aminareo aho fa mbola hisy ny fotoana ahafahantsika miresaka ireny. Aza adino fa rano no nahatongavan’ireny olana rehetra ireny sy ao amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany. Mbola ho avy ny fotoana hanazavana amin’ny antsipiriany an’ireny fa ny zavatra mahafaly dia hoe miverina amin’ny laoniny ny fiainan’ireo mpanjono any Faradofay ary efa misy ihany koa ireo fepetra rehetra noraisina mba hahafahantsika mitandro hatrany ny fahasalamam-bahoaka. Miezaka manatsara hatrany ny tontolon’ny fanjonoana any Faradofay isika matoa mandray fepetra, hoy hatrany ny minisitra.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT