Any Ivelany

MINISITERAN’NY RAHARAHAM-BAHINY FRANTSAY CATHERINE COLONNA NO HISOLO AN’I LE DRIAN


  • Alatsinainy 23 Mey 2022

Tontosa ny sabotsy teo ny fifamindram-pahefana teo amin’ny minisitry ny raharaham-bahiny frantsay teo aloha, Jean Yves Le Drian sy ny vaovao, Catherine Colonna.

Malaza amin’ny fahaizana diplomasia tsy misy toa azy ity minisitra ity. Etsy ankilany dia nanana ny traikefany koa ny minisitra teo aloha, Le Drian, izay efa nitantana ny minisiteran’ny fiarovana nandritry ny 5 taona tao anatin’ny fitondran’ny filoham-pirenena teo aloha, François Hollande, ny taona 2012-2017, ary namaha ny olana momba ireo tafika frantsay namita iraka tany Mali sy Irak ary Siria. Niantsehatra lalina ihany koa, mazava ho azy, tamin’ny famahana ny olana nosedraina momba ny ady tamin’ireo mpikomy Djihadista. Nanohy ny asany tao amin’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny indray moa izy nandritry ny fitondran’I Emmanuel Macron ny taona 2017 ka hatramin’ny sabotsy teo. Namaha krizy naharitra 10 taona araka izany ity minisitra teo aloha 74 taona ity, raha ny tati-baovao hatrany.

SARIMIHETSIKA « ALITA »
TSY MAINTSY HITOHY, HOY I ROBERT RODRIGUEZ
Tsy maintsy hitohy ny sarimihetsika “Alita, Battle Angel”, hoy ny mpanatontosa sarimihetsika, Robert Rodriguez, naneho ny fahavononany mbola hanohy ity sarimihetsika mitantara fanahina tovovavy anatina vatana cyborg ity. Vao resakay sy Jim na James Cameron vao haingana mihitsy io, hoy izy. Ary mbola vonona hiara-kanatontosa izany izahay. Aleo aloha aho, hoy hatrany ity mpanatontosa ity, hamita an’I Boba (TTF: Eo am-pamaranana ny andian-tantara “The Book of Boba Fett” ny tenany sy ny ekipany ankehitriny.) dia miresaka an’izay izahay.

MISTER T
FENO 70 TAONA
Feno 70 taona ny sabotsy teo ilay mpilalao sarimihetsika amerikanina nanana ny maha izy azy, Mister T, izay mpiambina manokana ny mpanakanto mpanjakan’ny Pop efa nodimandry, Michael Jackson. Ilay mpilalao sady mpamokatra sy mpanatontosa sarimihetsika, Sylverster Stallone, moa no nahatsikaritra ny talentany voalohany ary niantso azy hilalao tao amin’ny sarimihetsika mitohy Rocky III. Ny andian-tantara “Agence tous risque” kosa taorian’izay no tena nampalaza azy tamin’ny fandraisany ny anjara toeran’I Barracuda. Niavaka sy be mpanaraka mihitsy taty aoriana ny hetim-bolon’ingahy Barracuda izay miendrinka sangan’akoholahy voabango sy voakarakara manaraka iny afovoan’ny loha solany havia sy havanana iny.

Nangonin’i J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Ady any Moyen-Orient
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Miakatra ny vidim-piainana

  • NEPAL, 7 volana aty
  • Zoma 03 Aprily 2026

aorian’ny tolona Mivadika ho hery politika

  • ADY ANY IRAN
  • Alarobia 25 Martsa 2026

Mihamafy hatrany ny fifandonana,

  • ADIN'NY AMERIKANA SY ISRAËLY
  • Alakamisy 05 Martsa 2026

AMIN'I IRAN

  • Dimy andro
  • Alakamisy 05 Martsa 2026

aty aorian’ny fipoahany

Hijery ny tohiny
FTT