Any Ivelany

Minisiteran`ny Fitsarana Hampihena ny isan`ireo voafonja tsy mbola notsaraina…


  • Alarobia 02 Janoary 2019

Olana sedrain`ny fonja manerana ny nosy indrindra eny Antanimora ny fahatereny.

 

 

 Hametraka fanamby amin`ny taona ho avy,  araka izany, ny minisiteran`ny fitsarana, hampihena ny isan`ireo voafonja tsy mbola no tsaraina. Mpisazy miisa 3 199 no eny Antanimora ka 409 no nahazo fitsarana, izany hoe 69% no tsy mbola nandalo fitsarana hatramin`ny fampidirana azy ireo hisazy. Nanamafy ny minisitra Harimisa Noro Vololona fa efa eo an-dalana ny momba izany fonja tery izany ary efa baiko nomena efa volana vitsivitsy izay ka antenaina hisy vokany amin`ny taona 2019. Hametraka fanatsarana manokana amin`ny fanjarian-tsakafo ihany koa ny minisiteran`ny fitsarana mba hanovana ho in-telo ny sakafo ny voafonja. Tany Toliara sy Miarinarivo no nanombohana ny tetikasa “Diet carceral” ary hitatra manerana ny nosy. Eo ihany ny fanasarahana ny toerana misy ireo zaza tsy ampy taona sy ampy taona. Ny fonja tany Ankazobe no nanaovana ny andrana. Nitsidika ny voafonja teny Antanimora sy Anjanamasina  ny minisitry ny fitsarana, Harimisa Noro Vololona, ny alatsinainy lasa teo ka nanolotra vary, tsiasisa ary namono omby roa ho an`ireo voafonja ao Antanimora.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT