Any Ivelany

Miketrika ny Amerikanina Handefa olona eny amin’ny volana indray


  • Alakamisy 18 Jolay 2019

50 taona aty aorian’ny tetikasa Apollo 11, izay sambondanitra voalohany tonga teny amin’ny volana dia mieritreritra ny hiakatra eny indray ny Amerikanina.

 

 

Artemis no anarana nampisalorana ity tetikasa goavana ity izay tohanan’ny filoha Donald Trump mafy moa, izy rahateo dia nametraka ho fanamby ny fifehezan’ny Amerikanina ny any ambony tsy taka-maso any sy ny famoronana andian-tafika mihitsy aza ho amin’izany. Lehilahy sy vehivavy no alefa eny amin’ny volana amin’ity indray mitoraka ity. Amin’ny taona 2024 no hanomboka ny dia ka dingana voalohany aloha dia sambon-danitra irery tsy misy olombelona no alefa  ka andrama amin’izany ny fiara voatokana handeha eny amin’ny volana. Hisy andrana faharoa aorian’io. Hirosoana amin’izay ny dingana fahatelo ka olombelona amin’izay no halefa. Balafomanga faran’ny raitra sy matanjaka indrindra eto ambonin’ny tany dia ny Space Launch System (SLS) no hanatanterahana ireo dia miisa 3 ireo. Mieritreritra ny sampandraharaha Amerikanina misahana ny eny ambony tsy takamaso fa haharitra kokoa ny fijanonana eny amin’ny volana amin’ity indray mitoraka ity fa tsy indray miserana tahaka ny natao tamin’ny 1969. Ao anatin’ny vinan’ny Amerikanina moa ny hahafahan’ny olombelona monina sy miaina mihitsy eny amin’ny volana sy any amina planeta hafa, tahaka ny planeta Mars ohatra izay hatreto aloha no fantatra fa mifanakaiky kokoa amin’ny planeta tany ary tokony ho zakan’ny olombelona tsara ny monina ao aminy, miaraka amina fotodrafitrasa sy fitaovana manokana.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT