Any Ivelany

Miketrika ny Amerikanina Handefa olona eny amin’ny volana indray


  • Alarobia 17 Jolay 2019

50 taona aty aorian’ny tetikasa Apollo 11, izay sambodanitra voalohany tonga teny amin’ny volana dia mieritreritra ny hiakatra eny indray ny Amerikanina.Artemis indray no anarana nampisalorana ity tetikasa goavana ity izay tohanan’ny filoha Donald Trump mafy moa,

 

 

 

izy rahateo dia nametraka ho fanamby ny fifehezan’ny Amerikanina ny eny ambony tsy taka-maso any sy ny famoronana andian-tafika mihitsy aza ho amin’izany.Lehilahy sy Vehivavy no alefa eny amin’ny volana amin’ity indray mitoraka ity; amin’ny taona 2024 no hanomboka ny dia ka dingana voalohany aloha dia sambon-danitra irery tsy misy olombelona no alefa  ka andrama amin’izany ny fiara voatokana handeha eny amin’ny volana.Hisy andrana faharoa aorian’io ka rehefa vita izany rehetra izany dia hirosoana amin’izay ny dingana fahatelo ka olombelona amin’izay no alefa eny amin’ny volana.Balafomanga faran’ny raitra sy matanjaka indrindra eto ambonin’ny tany dia ny Space Launch System (SLS) no hanatanterahana ireo dia miisa 3 mankeny amin’ny volana ireo.Mieritreritra ny sampandraharaha Amerikanina misahana ny eny ambony tsy takamaso fa haharitra kokoa ny fijanonana eny amin’ny volana amin’ity indray mitoraka ity fa tsy indray miserana tahaka ny natao tamin’ny 1969.Ao anatin’ny vinan’ny Amerikanina moa ny hahafahan’ny olombelona monina sy miaina mihitsy eny amin’ny volana sy any amina planeta hafa, tahaka ny planeta Mars ohatra izay hatreto aloha no fantatra fa mifanakaiky kokoa amin’ny planeta tany ary tokony ho zakan’ny olombelona tsara ny monina ao aminy , mazava ho azy miaraka amina foto-drafitrasa sy fitaovana manokana.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Hitsahatra ny adin’i Etazonia-Iran
  • Zoma 19 Jona 2026

Misento tokana izao tontolo izao saingy…

  • Raim-pianakaviana
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy nanefa volan-jaza

  • Toe-draharaha iraisam-pirenena
  • Alakamisy 21 Mey 2026

Manamafy ny fifandraisany

  • MOYEN ORIENT
  • Talata 21 Aprily 2026

Mikatso ny diplaomasia, ambivitra

Hijery ny tohiny
FTT