Any Ivelany

Miitatra ny ady, niditra an-tsehatra i Etazonia


  • Alatsinainy 23 Jona 2025

Raikitra ny zera baomba mahery vaika ataon'ny amerikana any Iran ny sabotsy alina

hifoha alahady teo tamin'ny alalan'ny "opération marteu de nuit". Baomba mahery vaika antsoina hoe GPU 58 miisa 12 afaka mamotika ireo foto-draitrasa miafina any ambanin'ny no nalatsaky ny fiaramanidina mpiady B2 - Spirit. Milanja 14 taonina ny iray amin'ity baomba ity. Nanampy izany ny balafomanga Tomahawk maromaro. Nilaza filiha Donald Trump fa fahombiazana no azo tamin'izao fanafihana voalohany izao satria dia toerana misy ozinina miasa amin'ny fikarohana sy fanamboarana baomba nokleary miisa 3 any Iran no potika. Izany hoe tsy afa-miasa intsony. Mbola hitohy ny daroka baomba raha toa ka tsy milavo lefona i Iran, izay raha fintinina fohy ny fanambaran'ny filoha amerikana. ADIN'NY SERASERA Tonelina miditra sy mivoaka ao amina ozinina iray any ambanin'ny tany no nisy fahasimbana fa tsy misy izany hoe potika tanteraka izany, hoy kosa ny fampitam-baovao Iraniana. Haharitra mandrakizay ny vokatr'io zera baomba nataon'i Etazonia io hoy ny minisitry ny raharaham-bahiny Iraniana. Ary ny alahady maraina tokoa dia efa raikitra ny daroka balafomanga tany amin'ireo tanàna lehibe any Israel dia Jerosalema, Haifa ary Tel Aviv. Raha ny filazan'ny manampahefana Israeliana dia nisy ny toeram-ponenana potika, ary 86 no maratra. Sarotra ho an'ny mpanao gazety ny manangom-baovao any Israel satria hentitra be amin'ny fifehezana ny serasera ny manampahefana Israeliana. Na any Iran ihany koa aza dia tsy fantatra mazava ny tena vokatry ny ady fa tombatombana no betsaka, misy ny vaovao ofisialy avy amin'ireo firenena 2 ireo saingy maro no mihevitra fa efa mihoatra lavitra ny tarehimarika nambara no isan'ny maty sy maratra. Eo ny fifandarofana baomba fa tena eo dia eo ihany koa ny ady amin'ny sehatry ny serasera sy fizaram-baovao ao anatin'izao fifandonan'i Israel ay Iran izao. Io niditra io ihany koa moa i Etazonia izay tena matanjaka amin'ny lafiny serasera koa dia samy milaza izay lazainy ny 3 tonta. MBOLA HAHARITRA 2 andro mialohan'izao daroka baomba izao dia nanao antso ny filoha amerikana hoe mila milavo lefona i Iran raha te hilamina. Namaly avy hatrany ny Iraniana hoe : izahay manana sivilizasionina efa ho 3000 taona ve no asainareo milavo lefona, tsy hisy izany. Mahazaka tsara ady izahay ary efa tena niomana hoy ny manampahefana ao Iran. Raha izay no raisina dia tena mbola haharitra izany ity ady ity, izay azo sokajiana ho adin'ny samy ngeza. Samy manam-bola, manana fitaovam-piadiana, matanjaka ara-tafika, sarotony amin'ny fiandrianan'ny fireneny avy ary samy be mokon-doha. Etsy ankilan'izay moa dia hita fa fanambarana no tena betsaka avy amin'ireo fikambanana iraisam-pirenena sy firenena samihafa saingy tsy misy mihaino izy ireo, tsy mahavita mampatahotra ny mpifanandrina no sady tsy mahavita mandamina ny ady, hatreto aloha.
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Ady any Moyen-Orient
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Miakatra ny vidim-piainana

  • NEPAL, 7 volana aty
  • Zoma 03 Aprily 2026

aorian’ny tolona Mivadika ho hery politika

  • ADY ANY IRAN
  • Alarobia 25 Martsa 2026

Mihamafy hatrany ny fifandonana,

  • ADIN'NY AMERIKANA SY ISRAËLY
  • Alakamisy 05 Martsa 2026

AMIN'I IRAN

  • Dimy andro
  • Alakamisy 05 Martsa 2026

aty aorian’ny fipoahany

Hijery ny tohiny
FTT