Any Ivelany

Miditra anaty Krizy i Frantsa Nikorontana i Paris, olona 103 nosamborina


  • Alatsinainy 26 Novambra 2018

Henjana ny fifandonana teo amin’ny mpitandro ny filaminana sy ireo mpanao fihetsiketsehana nosalorana ny anarana hoe “gilets jaunes” any Frantsa izay tsy manaiky ny fampiakarana ny vidin-tsolika sy mitaky

 

 

 

 vahaolana avy amin’ny fanjakana momba fidangan’ny vidim-piainana amin’ny ankapobeny any Frantsa. Goavana ny hetsika ny sabotsy teo tao Paris renivohitra, 106 000 no mpanao fihetsiketsehana nidina an-dalambe manerana an’i Frantsa ka ny 8 000 tamin’ireo dia tao Paris, araka ny nambaran’ny minisiterann’ny atitany. Nilahatra teny amin’ny araben’ny Champs-Elysées ireo mpanao fihetsiketsehana niaraka tamin’ny sora-baventy sy ny kiririoka. Niha nafana ny toe-draharaha koa dia raikitra ny fifandonana, nirefodrefotra ny baomba mandatsa-dranomaso, narahan’ny tifitra rano nataon’ny mpitandro ny filaminana mba hanapariahana ireo manao fihetsiketsehana. Ireto farany ihany koa tsy nanaiky lembenana, niainga ny toratoraka, nipetraka ny sakana. Polisy iray no voalaza fa naratra mafy satria voatoraka teo amin’ny masony ka tovolahy iray 27 taona no nosamborina avy hatrany satria nahiana ho nanao izany. Ankoatra azy dia nisy olona 103 hafa ihany koa nosamborina, ka notanana eny amin’ny tobin’ ny polisy avy hatrany ny 101. Mbola hanatanteraka fihetsiketsehana goavana indray ny “gilets jaunes” ny sabotsy 1 desambra izao raha ny nambaran’ireo mpitarika. Etsy an-kilan’izay, hentitra ny fitondram-panjakana, tsy hiverina amin’ny fanapahan-kevitra efa noraisiny, izany hoe tsy hidina ny vidin-tsolika. Manahy ankehitriny ny Frantsay fa toa miditra tsimoramora any amina krizy politika sy sosialy ny firenen’izy ireo ary manomboka efa mahery fihetsika ireo mpanao fitakiana.

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Ady any Moyen-Orient
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Miakatra ny vidim-piainana

  • NEPAL, 7 volana aty
  • Zoma 03 Aprily 2026

aorian’ny tolona Mivadika ho hery politika

  • ADY ANY IRAN
  • Alarobia 25 Martsa 2026

Mihamafy hatrany ny fifandonana,

  • ADIN'NY AMERIKANA SY ISRAËLY
  • Alakamisy 05 Martsa 2026

AMIN'I IRAN

  • Dimy andro
  • Alakamisy 05 Martsa 2026

aty aorian’ny fipoahany

Hijery ny tohiny
FTT