Any Ivelany

Miaramila niady ho an’ny fahafahana Notsarovana tany Frantsa ny sabotsy teo


  • Alatsinainy 17 Oktobra 2022

Nomarihina ny sabotsy lasa teo ny fahatsiarovana ireo miaramila Afrikanina niady ho an’I Lafrantsa tamin’ny ady lehibe voalohany, ka isan’ny nanana miaramila betsaka niady sy lavo tamin’izany isika Malagasy.

Nisy ny hetsika niraisana tany Frantsa noho izany, ka ka nitarika ny delegasionina ny Masoivohon'i Madagasikara ao Frantsa Atoa Olivier Hugues Rija Rajohnson, nisolotena an'i Madagasikara tamin'ny fahatsiarovana ireo miaramila malagasy maty niady ho an'ny Fahafahana. Teratany Malagasy miisa 45 000 no tonga tonga tao Frantsa nandritra ny ady lehibe voalohany (1914-1918) mba hiady ho an'ny fahafahana. Maherin'ny 4 000 tamin'izy ireo anefa no lavo nandritra izany ary 10 000 eo ho eo no tsy tafaverina tany an-tanindrazana intsony. Ny tsangambato izay natao tamin'ny taona 1920 no hany sisa fahatsiarovana azy ireo ao Frantsa. Nanome voninahitra sy nilanja ny sainam-pirenentsika nandritra io fotoana io moa ireo tanora skoto avy amin’ny Tily eto Madagasikara Faritany Frantsa.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT