Tafiakatra 118 304 ny olona matin’ny coronavirus maneran-tany,
raha ny antontan’isa aza omaly alina tamin’ny 9 ora sy sasany, izany hoe nisy fitomboana 16 700 mahery tao anatin’ny 72 ora. 1 897 373 ny olona voa, raha 1 673 000 mahery tamin’ny sabotsy lasa teo. 443 816 kosa ny efa sitrana sy tafavoaka velona tao hatramin’ny nisian’ity areti-mandripaka ity.
ETAZONIA
Niakatra ho laharana voalohany
I Etazonia amin’izao fotoana izao no lasa firenena nahitana olona maty be indrindra. Raha 18 011 no notaterina teto ny sabotsy lasa teo, dia efa tafiakatra 22 947 izany omaly, izany hoe 5000 latsaka kely tao anatin’ny 3 andro. Efa 10 000 ny maty tao New York. Mahatratra hatrany amin’ny 573 052 ny isan’ny olona voa any an-toerana, ary 41 221 kosa no efa sitrana. Mitana ny laharana faharoa indray kosa I Italie, izay efa tafiakatra 20 465 ny maty, izany hoe niampy 1600 mahery kely tao anatin’ny 3 andro. Fahatelo i Espagne, izay efa 17 614 ny maty, ary 169 510 ny voa. Eo amin’ny fahaefatra i France izay efa nahafatesana olona 14 867 ary 136 779 kosa ny marary.
KAONTINANTA AFRIKANINA
788 ny maty, 14 525 no voa
Miisa 14 525 ny olona voamarina fa tratry ny coronavirus aty Afrika, ary 788 kosa ny fitambaran’ny maty, raha ny antontan’isa omaly alatsinainy. 2570 eo kosa no efa sitrana raha ny tatitry ny Ivon-toerana momba ny fiarovana sy ny fanaraha-maso ity aretina ity eo anivon’ny Vondrona Afrikanina. Firenena 4 no efa mihoatra ny 1000 ny olona voa ao aminy, dia i Afrika Atsimo, Algérie, Egypte, ary Maroc.
COVID 19
Mamono avo 10 heny noho ny gripa H1N1
Nanao fanambarana niainga tany amin’ny Foibeny any Genève Suisse omaly ny lehiben’ny Sampan-draharahan'ny firenena mikambana momba ny fahasalamana na ny OMS Dr Tedros Adhanom Ghebreyesus, fa mahery vaika avo 10 heny noho ny Gripa H1N1 niainga tany Mexique ny faran’ny martsa 2009 ny coronavirus. Ny toetoetrany sy ny fifindrany haingana dia haingana no isan’ny anton’izay.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.