Any Ivelany

Maneran-tany 65 155 indray voa omaly, 5033 indray maty


  • Zoma 24 Aprily 2020

2 700 871 raha kely indrindra no voa maneran-tany, ka ny 65 155 dia tao anatin’ny 24ora farany.

 

Ny 58 022 amin’ireo dia ahiana avokoa ny ainy. 189 099 kosa ny efa maty, ka omaly avokoa ny 5033. Lohalaharana hatrany I Etazonia. Tsy misy fiovana firy ny fihazakazahan’ny isa any Eoropa. 25 549 ny maty ho an’i Italie, ka 464 omaly avokoa. 440 tao anatin’ny iray andro tany Espagne ka efa 22 157 ny totalibeny. Niakatra ho 18 738 ny any Royaume-Uni, ka 638 be izao no tao anatin’ny 24ora.

 

Afrika

 Mampatahotra ny isa any amina firenena efatra

Tafiakatra 1247 ny fitambaran’ny maty rehetra aty amin’ny Kaontinanta Afrikanina, ary 26 144 ny olona efa voamarina fa voa. I Algérie no firenena be maty indrindra, izay efa tafiakatra 407 amin’izao fotoana izao, ka ny 5 tao anatin’ny 24 ora. 3007 no efa voa, izay ny 97 dia tao anatin’ny iray andro. Faharoa i Egypte izay efa nahafatesana 287 ka omaly ny 11 tamin’ireo. Ity firenena ity no faharoa be voa indrindra aty Afrika izy efa 3891, ka omaly avokoa ny 232. Any Maraoka kosa dia efa 155 ny maty ka omaly ny 6 tamin’ireo. 3568 ny voa ka ny 122 dia tao anatin’ny 24 ora. Firenena be voa indrindra kosa I Afrika Atsimo izay efa 3953 ka ny 318 dia omaly avokoa. Efa 75 no maty, ka 10 be izao omaly.

Etazonia

19 765 no voa iray andro, 1436 maty

Raha 900 latsaka ny maty tany Etazonia tao anatin’ny iray andro ny afak’omaly, dia niverina nidangana ho 1436 indray izany tao anatin’ny 24ora, ka efa 49 094 ny isan’ny maty hatreto. Tena midangana be noho izany ny isan’ny olona vaovao vao voa satria 19 765 be izao tao anatin’ny iray andro, ka nampiakatra ny isa ho 868 482. Ny 14 344 amin’ireo marary no misy fahasarotana, raha toa ka 2624 kosa no ao anatin’ny sokajin’ireo efa tena miady amin’ny fahafatesana. Raha raisina amin’ny isan’ny mponina dia 148 isaky ny olona iray tapitrisa no maty any Etazonia.

 

 

Frantsa

516 no maty tao anatin’ny 24 ora

Nahatratra 516 ny isan’ny maty tany Frantsa tao anatin’ny 24 ora farany, ka nampiakatra ny totalibeny ho 21 856. Mahatratra 5053 kosa kosa ireo olona marary tazonina ao amin’ny fameloman’aina, izay nisy fihenany 165 mitaha ny tamin’ny alarobia teo. Nilaza moa ny Filoha Frantsay taorian’ny fifampiresahany tamin’ireo olom-boafidy fa hiditra tsikelikely amin’ny fanatsaharana ny fihibohana aorian’ny 11 mey. Ireo sehatr’asa tsy dia ahiana ny mety hipariahan’ny valanaretina no hisantarana izany, ka mbola tsy tafiditra ny toeram-piasakafoanana sy ireo tena ahiana mitovitovy aminy.

 

Vondrona Eoropeanina

Tsy nahomby famindrana vola ...

Tsy nisy ny marimarimaritra iraisana nandritra ny fifampiresahana tamin’ny alalan’ny visionconférence ho an’ireo firenena mpikambana ao anatin’ny Vondrona Eoropeanina na ny UE amin’ny handefasana ny tetibola any amin’ireo faritra tena lasibatry ny coronavirus. Nandresy lahatra amin’ny hisian’ny drafitra lehibe izay tsy ho fampindramam-bola fotsiny, fa tena famindrana vola na “transferts financiers” satria raha misy ampahany havela amin’I Eoropa, dia ny I Eoropa manontolo no hirodana, hoy ity Filoha Frantsay ity. Niantso firaisankiana handeha lavitra sy ho tompon’ny tanjaka ho amin’ny firaisankinan’ny Eoropeanina aorian’ny coronavirus ny Filoha Frantsay.

 

Nangonin’i Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • MOYEN ORIENT
  • Talata 21 Aprily 2026

Mikatso ny diplaomasia, ambivitra

  • Ady any Moyen-Orient
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Miakatra ny vidim-piainana

  • NEPAL, 7 volana aty
  • Zoma 03 Aprily 2026

aorian’ny tolona Mivadika ho hery politika

  • ADY ANY IRAN
  • Alarobia 25 Martsa 2026

Mihamafy hatrany ny fifandonana,

  • ADIN'NY AMERIKANA SY ISRAËLY
  • Alakamisy 05 Martsa 2026

AMIN'I IRAN

Hijery ny tohiny
FTT