Nahatratra 2 606 632 ireo olona voamarina fa voa eto ambonin’ny tany, 182 113 ny maty, ka ny 4654 tamin’ireo dia tao anatin’ny 24ora. Somary nihena ny
isan’ny maty tany Etazonia izay 831 tao anatin’ny 24ora, ka 46 149 izao no maty. 829 392 ny isan’ny olona voa, ka ny 10 648 dia tao anatin’ny iray andro. Any Italie kosa dia 437 no maty tao anatin’ny iray andro ka niakatra ho 25 085 ny totalibeny, 187 327 ny voa ka 3370 tao anatin’ny 24ora. Any Espagne kosa dia 435 no maty omaly nampiakatra ny isa ho 21717, miisa 208 389 ny voa ka 4211 izao no voa. Any Frantsa kosa dia 544 no maty omaly, ka 21 340 ny fitambarany hatreto, raha toa ka 158 050 no voa, ka ny 5218 amin’ireo dia any amin’ny fameloman’aina.
SARY Maneran-tany
Afrika
1167 maty, 24 373 ny voa 1167
farafahakeliny ny fitambaran’ny maty ho an’ny Kaontinanta Afrikanina, raha ny antontan’isa omaly maraina. Tsy latsaky ny 24 373 ny fitambaran’ny voa hatramin’ny omaly. I Egypte no isan’ny be voa indrindra izay 3490 ka 870 no sitrana raha toa ka 264 no maty. I Afrika Atsimo dia efa 3465 no voa, ka 1055 no efa sitrana, ary 58 no olona efa maty. 2811 kosa no voa any Algérie, ka 1152 no efa sitrana, ary 392 be izao no efa namoy ny ainy.
SARY Afrika
Mihorohoro i Senegal
65 no voa tao anatin’ny roa andro
35 be izao ny tranga vaovao tao anatin’ny 24 ora tany Sénégal ny talata teo, izay isa ambony indrindra na “nombre record” hatramin’ny nahatafidiran’ny coronavirus tany an-toerana nanomboka ny 2 martsa. Ny 34 tamin’ireo dia vokatry ny fifampikasohana na “cas contacts” tao amin’ny tanànan’i Niary Tally isan’ireo be mponina indrindra ao Dakar avokoa. Latsaka kelin’izay tao anatin’ny 24ora farany satria omaly dia 30 no indray voamarina fa voa, ary nisy iray maty. Tafiakatra 442 izany ny olona voa, ary efa 6 no maty hatramin’izao, raha toa ka 253 no sitrana.
Fitsaboana
“Tsy mety ny fampiasana hydroxychloroquine…”
Nilaza ny vondrona mpitsabo eo ambany fitarihan’ny Ivon-toeram-pirenena momba ny fahasalamana any Etazonia, fa tsy mety ary tsy azo hitsaboana ny coronavirus ny Hydroxychloroquine miampy azithromycine. Nomena toromarika mba tsy hampiasa io “protocole” ahafantarana ilay Profesora Frantsay Didier Raoult ity ireo mpisabo Amerikanina amin’ny fandraisana an-tanana ny marary. Nambara ihany koa fa tsy mety ny fanafody fampiasa amin’ny VIH dia ny lopinavir sy ritonavir. Nisy fandalinana voalaza fa nataona mpitsabo Frantsay miisa 30 ihany koa naneho fa tsy mety ilay hydroxychloroquine. Tena misy tokin’aina ny hahalasa fitsaboana iraisam-pirenena Covid organics an’i Gasikara raha izao no mitohy!
Harbin - Chine
Manahy mafy ny hiverenan’ny aretina
Nilaza ireo manam-pahefana ao amin’ny tanàn-dehibe ao Harbin, akaiky an’i Rosia fa hamafisina ny fepetra hanamafisina ny fisorohana taorian’ny fisehoana tranga vaovao. 2 herinandro taorian’ny fitsaharan’ny fihibohana tany Wuhan ivo sy loharanon’ny coronavirus, dia mbola ahiana ny hiverenan’ny aretina vokatry ny firongatr’ireo tranga entin’ireo olona avy any ivelany.
Nangonin’i Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.