Any Ivelany

Manandona - Vinaninkarena Nozeran’ilay tovolahy ny vato ny lohan-drenibeny


  • Talata 17 Mey 2022

Tsy fantatra intsony na nihetsika aretina ity tovolahy iray voalaza fa voan’ny androbe tany Manandona Vinaninkarena omaly.

Nokapohiny tamin’ny angady mantsy ny Rainy niteraka azy. Ilay lelan'angady anefa no nahavoa ity farany teo amin'ny fihirifany ka vaky ny lohany. Nahita izany ilay renibeny efa 96 taona ka namonjy ilay naratra. Nozeran’ilay tovolahy ny vato indray anefa izy nandritra izany ka vaky ihany koa ny lohany.Maty tsy tra-drano ilay vehivavy lehibe vokatr’izany raha nentina notsaboina haingana kosa ilay raim-pianakaviana. Nentin’ny mpitandro ny filaminana moa ilay tovolahy hahafantarana raha tena marary saina marina izy fa fanahiniana natao izao vono olona feno habibiana nataony izao. Na izany aza dia manana andraikitra amin’izany ihany koa ny kaominina…amin’ny fandraisana an-tanana ireny olona marary saina ireny raha tena marary tokoa izy amin’ny fiarovana ny ain’ny manodidina.
Nangonin’i Pati
Legende : Naratra mafy tahaka izao izy mianaka
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT