MAHAJANGA

Naka olona indray ny Village Tourstique


  • Zoma 01 Desambra 2023

Naka olona indray omaly ny ranomasina ao amin’ny Village touristique ao Mahajanga.

Zazalahy kely iray manodidina ny 10 taona eo ho eo no latsaka tao anaty rano omaly atoandro tokony ho tamin’ny 02 ora folakandro. Karazan’ireo ankizy nilalao teo amoron-drano ity zazalahy kely ity ka nateliny avy hatrany. Nisy koa anefa ireo nilaza fa nisolifatra izy, antony nahalatsaka azy tao anaty rano. Nezahina nentina tao amin'ny hopitaly manara-penitra moa ilay zaza saingy tsy tana intsony ny ainy. Naterina tao amin’ny tranom-paty ao amin'ny hopitaly manara-penitra Mahavoky Atsimo ny nofo mangatsiakany taorian’izany raha mbola nifampitadiavana kosa ireo fianakaviany. Tsiahivina fa anisan’ny toerana maka olona hatrany ny village touristique ao Mahajanga hatramin’izay. Ilana fitandremana fatratra araka izany io rano io, indrindra fa ho an’ireo vahiny.
Pati
Legende : Namoy ny ainy ity tovolahy kely ity !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT