Any Ivelany

Lybie Mamatsy fitaovam-piadiana azy i Torkia


  • Alakamisy 04 Jolay 2019

Nitsoa-ponenana avokoa ireo mponina nandritra ny fanafihana natao tao Tajoura Lybie. 44 no namoy ny ainy ka an-jatony ireo naratra.

 

 

Voarohirohy tamin`ny fandraisana anjara tamin`ny fanafihana ny vondrona tarihan`ny marechal Haftar, izay malaza ho mahery setra sy mampihorohoro ao Lybie. Araka ny loharanom-baovao tany an-toerana dia ireo toby miaramila tao Tajoura no fandrihan`ny mpanafika saingy ireo mpitsoa-ponenana no niharan`ny fanafihana. Manamafy ny tsy fisian`ny filaminana ny famatsian`i Torkia fitaovam-piadiana ao amin`io firenena io. Hihamafy ny fifanandrinana isam-paritra. Ireo mpitondra any Atsinanan`i Lybie dia tsy mankasitraka ny fihetsik`i Ankara. Mifanohitra amin`izany ireo mpitondra any andrefan`i Lybie satria manohana ny famatsian`i Torkia fitaovam-piadiana izao. Marihana fa ny firenena mikambana dia efa nandrara famatsiana fitaovam-piadiana any Lybie nanomboka ny taona 2011

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT