Any Ivelany

Loza matetika sy faty olona Nametra-pialana ny lehiben'ny orinasa Boeing


  • Talata 24 Desambra 2019

Nametra-pialana omaly i Dennis Muilenburg Filoha Tale Jeneralin’ny orinasa Amerikanina Boeing,

 

 anisan’ny matanjaka indrindra eto ambonin’ny tany amin’ny famokarana fiaramanidina.  Antony ny fihenan-danjan’ity orinasa ity noho ny olana samihafa, anisan’ny goavana amin’izany ny loza samihafa nateraky ny Boeing marika 737 Max, toy ilay an’ny Kaompania Indonezianina Lion Air namoizana ain’olona 189 ny 28 oktobra 2018, ilay an’ny Ethiopian Airlines namoizana ain’olona 149 ny 8 martsa 2019,… Ny Tale ara-bola Greg Smith no misolo toerana vonjimaika azy. Manomboka ny 13 janoary kosa dia i David Calhoun, izay manampahaizana ambony momba ny indostria, ary manana ny lazany sy ny tantarany eo amin’ny lafiny haitarika (leadership) izay efa nanaiky sy nanao fanamby lehibe no ho Tale Jeneralin’ny Boeing. Hafa mihitsy ny any amin’ny firenena vahiny, izay tsy dia hananantsika firy ny toe-tsaina mahay manaja tena rehefa tsy mahavita ny andraikitra na tsy mahatafavoaka baolina, fa tsy mibodo toerana sy miandry hoesorina. Raha ny eto Madagasikara, dia ny 12 desambra lasa teo no nametra-pialana ny Tale Jeneralin’ny Air Madagascar Atoa Rolland Besoa Razafimaharo. Ny Talen’ny serasera eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Rinah Rakotomanga no mety hotendrena ho solony, hoy gazety an-tsoratra iray.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT