Loza an’habakabaka nahatsiravina

290 eo no maty tao Inde, miozongozona ny tsenan’ny Boeing


  • Zoma 13 Jona 2025

Nitranga ny lozam-piaramanidina nahafatesana olona be indrindra tao Inde

tao anatin’ny folo taona teo amin’ny sidina iraisam-pirenena omaly 12 jona 2025. Boeing 787-8 Dreamliner an’ny Air Inida niainga tao Ahmedabad faritany atsinanan’i India no nidoboka raha vao niainga 30 segaondra monja. Nitondra mpandeha 242 nahitana : 169 Indiana, 53 Britanika, 7 Portiogey ary 1 Kanadianina. Nianjera tao amin’ny Meghani Nagar, faritra fonenana midadasika ao amin’ny tanànan’i Ahmedabad (efatra hatramin'ny valo tapitrisa ny mponina). Mpandeha iray ihany no hany velona hatreto, dia teratany Britanika 40 taona antsoina hoe Vishwash Kumar Ramesh. Nilaza izy fa 30 segondra taorian’ny niaingan’ny fiaramanidina, nisy feo mahery nipoaka, ary nianjera avy hatrany, ary tena haingana be ilay zavatra nitranga. Hatramin’ny omaly, manodidina ny 290 ny maty noho ilay toerana be mponina. Ity no lozam-piaramanidina voalohany nahafaty tamin’ny Boeing 787, izay nanomboka ny sidina tamin’ny 2011, mahazaka mpandeha 248 hatramin’ny 330. Ity karazana no fiaramanidina ity anefa haingana indrindra sy nandeha be ny fividianana azy teo amin’ny tantaran’ny Boeing. Na mbola tsy tena fantatra mazava aza ny anton’ny loza, nihozongozona avy hatrany ny tsenan’ny Boeing, nitotongana maherin’ny 5 % avy hatrany ny Boeing eo amin’ny lafiny tsenam-bola na ny « bourse », ary nitotongana nihoatra ny 7 8 % aza ny fikasana hividy. Izy io no fidinana lehibe indrindra ho an’io orinasa mpamokatra fiaramanidina amerikana io taorian’ny andiana lozam-piaramanidina nahazo tao anatin’ny 7 taona farany izay niteraka fihenan’ny fahatokisana amin’ny lafiny ara-piarovana sy antoka amin’ny sidina. Ankoatra ity Dreamliner 787 ity, dia efa nisy an’ireo Dreamliner 737 Max roa nianjera ny oktobra 2018 dia ny an’ny Lion AIr nahafatesana olona 346. sy ny martsa 2019 dia ny an’ny Ethiopian Airlines namoizana ain’olona 157.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT