Any Ivelany

Loka AITTA - Afrika Norombahin`ny TECNO


  • Talata 16 Jolay 2019

Lasan`ny finday TECNO SPARK 3, izay vokarain`ny orinasa TECNO ny loka Africa Information Technology & Telecoms Awards (AITTA) tamin`ity taona 2019 ity noho ny vidiny mirary kanefa manaraka ny teknolojia avo lenta hatrany.

 

 

Nandritra ity AITTA andiany fahatelo ity, nomena lanjany misimisy kokoa ireo mpandraharaha afrikanina miantsehatra amin`ny serasera sy ny fifandraisana ary ny teknolojia. Ny taona 2006 no nirotsaka an-tsehatra teto Afrika ny orinasa TECNO ka anisan`ny nampiroborobo ny finday “double puce”  izy ireo manerana ny kaontinanta ka nahafahany nampihodina vola 53% raha oharina amin`ny renivola. Izy hatreto no mpamokatra finday avo lenta kanefa amin`ny vidiny zakan`ny besinimaro. Tamin`ny taon-dasa, miisa 124 tapitrisa ny finday lafony maneran-tany. Eo amin`ny laharana fahefatra mikirakira finday ny TECNO eo amin`ny tsena iraisam-pirenena ary voalohany hatrany aty Afrika. Firenena miisa 70 izay an-dalam-pandrosoana toa an`i Bangladesh, Nigeria, Tanzanie, … no manjifa ny vokatra TECNO. Marihina fa ny solombavambahoakan` i Madagasikara, Harijaona Randriarimalala na “Jaona Elite”, izay nindaosan`ny fahafatesana ny herinandro lasa teo, no solontenan`ny orinasa TECNO teto amintsika.

 

Marigny A.

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT