Any Ivelany

Lasa fahafinaretana ny manely tsaho Tena azo tsapain-tànana ny loza aterany


  • Sabotsy 15 Desambra 2018

Anisan’ny loharanom-baovao faran’izay haingana ireo tambajotran-tserasera toy ny facebook sy ny twitter ary ny instagram sy ny tariny saingy matetika dia faran’izay tsy mari-pototra ihany koa.

 

Saika io avokoa no nipoiran’ireo tsaho sy honohono ary lainga rehetra ary nahatonga olona maro tany am-ponja mihitsy. Tsy hidirana lalina intsony ny mikasika azy ireny fa ny tiana antitranterina fotsiny dia ny hoe tsy mbola nisy soa hita ho nateraky ny tsaho loatra aloha fa saika nampidi-doza foana izy ireny. Tranga nampivarahontsana vao tsy ela ny nitranga tany amin’iny faritr’i Fenoarivo Atsinanana iny. Tao amin’ilay kaominina antsoina hoe Ambodiazinina, raha ny marimarina kokoa. Tsaho no nahatonga ireo polisy telolahy ho matin’ny fitsaram-bahoaka. Nisy ny firosoan’ny mpitandro ny filaminana tamin’ny fisamborana ireo noheverina fa tompon’andraikitra tamin’io fitsaram-bahoaka io ary efa ho 20 isa mahery ireo voasambotra. Ankehitriny ihany koa dia lasa toy ny haolo ilay tanàna noho ny fahatahoran’ireo mponina mbola hosamborina na dia efa niezaka nidina tany an-toerana nanazava ny sain’izy ireo aza ireo tomponandraiki-panjakana fa tsy misy tokony hatahorany intsony. Sekoly EPP miisa 9 sy CEG miisa 2 no voatery nikatona. Vokatry ny tsaho, honohono, lainga, fita-bitro sy ny tariny daholo anefa izany.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT