Any Ivelany

Lanonam-panjakana eny Iavoloha Hiompana amin’ny inona ?


  • Sabotsy 05 Janoary 2019

Raha tsy misy ny fiovana dia amin’ny alatsinainy 7 janoary 2019 ho avy izao no hanatanterahana ny lanonana fifampiarahabana ofisialy noho ny taona vaovao eny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha.

 

 

 Lanonana hiarahabana ny Andrim-panjakana isan-tsokajiny sy isan’ambaratongany ary masoivoho vahiny miasa sy monina eto amintsika ny filoham-panjakana mpisolo toerana, Rivo Rakotovao  mivady. Niova tsy toy ny mahazatra ny daty fanatanterahana izany satria tsy zoma toy ny mahazatra eny Iavoloha. Mihazakazaka tokoa ny toe-draharaha mitranga eto Madagasikara satria indray andro mialoha ny famoahana voka-pifidianana ofisialy eny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) no hanatanterahana ny fifampiarahabana ofisialy eto amin’ny firenena. Andrasana fatratra ireo kabary hataon’ireo tompon’andraiki-panjakana. Hiompana amin’ny inona ny lahatenin’ny filoham-panjakana sy praiminisitra manoloana izao toe-draharaha mitranga izao ? Andrasana ihany koa izay holaizain’ny filohan’ny Antenimieram-pirenena sy ny Antenimierandoholona. Ny fitoniana no tena ilaina amin’izao vanim-potoana iandrasana voka-pifidianana izao saingy hojerem-potsiny ve ny resaka kolikoly sy tsy fahatomombanana nandritra ny taom-pifidianana 2018 ? Mahakasika ny lanonam-panjakana, manodidina 1 600 no vahiny hasaina tahaka ny hatramin’izay ihany ary tsy dia misy fiovana toy ny tamin’ny taon-dasa ny fandaminana amin’ny ankapobeny.

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT