Any Ivelany

Krizy sy fitokonana Mikatso tanteraka ny any Frantsa


  • Zoma 06 Desambra 2019

Fitokonana maherin’ny 250 isa no mitranga any Frantsa ary dia mikatso tanteraka ny asa aman-draharaha, ny fitaterana…

 

 

 Ny raharaham-panjakana amin’ny ankapobeny mihitsy. Mijoro ny sendikà frantsay sy ny vahoaka tsy manaiky na manohitra ny tetikasan’ny filoha Macron mahakasika ny fisotroan-dronono izany izay heverin’izy ireo fa mety hanimba sy hanitsakitsaka ny zon’ireo mpisotro ronono. Marihina hatrany fa io fanavaozana fisotroan-dronono izay anisan’ny programanasan’ny filoha frantsay nasongadiny tamin’ny fampielezan-kevitra tamin’ny vahoaka frantsay. Marina fa nofidian’ny vahoaka hitantana ny firenena ny filoham-pirenena kanefa tsy voatery ny programanasany rehetra nambarany no naharesy lahatra ny vahoaka nifidy azy. Mijoro ny olona manohitra izany satria heverin’izy ireo mifanohitra amin’ny tombontsoan’ny vahoaka izay.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT