Any Ivelany

Krizy ara-bola tany Etazonia 10 taona aty aoriana mbola misy takaitra


  • Alarobia 02 Janoary 2019

Tena sarotra tamin’ny Amerikanina ny nanarina ny rafitra ara-bolany taorian’ny krizy ara-bola navaivay tamin’ny taona 2008. Amin’izao fotoana izao dia manome 6 hatramin’ny 7% amin’ny toekarena manontolo ny rafitra ara-bola dia ny banky sy ny fiantohana raha 10% talohan’ny krizy.

 

 

 

 Raha tsiahivina ny fototry ny krizy tany Amerika tamin’ny taona 2008 dia ny tsy fisian’ny lalàna nifehy ny rafitra ara-bola. Tamin’izany anefa dia nisy ny fiheverana mihoatra (surévaluation) ny tombony azon’ny banky ara-barotra ka nanekeny nanao fampindramam-bola be loatra indrindra tamin’ireo olona marefo. Nantsoin’izy ireo hoe « prêts sauvages » mihitsy moa izany tamin’ny fotoan’androny ary tsy nisy  ny fepetra noraisina ny amin’izay mety ho vokany fa dia tena nalalaka ny findramam-bola. Tetsy an-daniny dia nidina tany amin’ny farany ambany ny takalon’ireo action teny amin’ny fiantohana ka voakasika tamin’izany ny AIG izay kaompania lehibe indrindra amin’ny fiantohana tany Amerika. Ankoatra izay anefa dia niavosa ny trosa teny amin’ny banky (surendettement) ary faity ny banky lehibe indrindra tany dia ny LEAMAN BROTHERS tamin’ny 15 septambra 2008. Taorian’ny krizy izay vao nandany ny lalàna mifehy ny sehatra ara-bola ny kongresy amerikanina. Nanome 80 miliara dolara ny AIG ny « reserve federale americain » hanavotana azy kanefa nitory ny fanjakana indray ny filoha mpitantana io tamin’ny taona 2010 satria noho ny fakàna tombony be loatra taminy. Tamin’izany dia ny nanavotra ireo orinasa lehibe no laharam-pahamehanan’ny fitondrana amerikanina ary nampiasa vola be mihitsy izy ireo. Latsa-danja noho izany ny fitsinjovana ny vahoaka voakasika mivantana tamin’ilay krizy ka lasa nisy akony ratsy indrindra tamin’ny ara-tsosialy. Vao mainka nihanahantra ireo efa tsy nanana ary nihanahazo hery indray kosa ireo efa nanankarena. Tamin’ny taona 2010 dia nidina 10% ny valeur immobilière ary ny 2/3 tamin’ny mponina no very zo tamin’ny fananan-tany ka ny tany Detroit no tena lasibatra. Tsy nisy ny asa, tsy nahavita nandoa hetra intsony ny mponina ary na dia ny rano sy ny jiro ary ny fanariam-pako aza tany dia nanahirana ka nahatonga ny fifindra-monina. Ny fandraisan’andraikitry ny filoha Barack Obama tamin’ny taona 2011 izay nitodihana haingana tamin’ny sehatra fanamboarana sy famarotana fiara tany an-toerana no nampiverina ny asa sy ny olona tany Detroit. Amin’izao taona 2018 izao dia mbola anatina ezaka fanatsarana hatrany io rafitra ara-bola io ny amerikanina saingy mbola baraingo ny ho tohiny satria  namoaka lalàna ho fampiakarana ny zana-bola ho 3% indray i Donald Trump izay hitarika fisondrotam-bidim-piainana ary hanairana ireo firenena mpiara-miasa izay efa ao anatina krizy politika sy toekarena amin’izao tahaka an’i Torkia sy Arzantina.

Tsirinasolo

    

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Ady any Moyen-Orient
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Miakatra ny vidim-piainana

  • NEPAL, 7 volana aty
  • Zoma 03 Aprily 2026

aorian’ny tolona Mivadika ho hery politika

  • ADY ANY IRAN
  • Alarobia 25 Martsa 2026

Mihamafy hatrany ny fifandonana,

  • ADIN'NY AMERIKANA SY ISRAËLY
  • Alakamisy 05 Martsa 2026

AMIN'I IRAN

  • Dimy andro
  • Alakamisy 05 Martsa 2026

aty aorian’ny fipoahany

Hijery ny tohiny
FTT