Any Ivelany

KRIZIN’I UKRAINE MBOLA SAROTRA HITA NY VAHAOLANA


  • Alatsinainy 14 Febroary 2022

Mbola mafana hatreto ny fifanolan’i Rosia sy ireo firenena tandrefana momba ny toe-draharaha ao Ukraine.Efa nihaona tamin’ny filoha Rosiana Vladimir Poutine ny filoha Frantsay Emmanuel Macron,

nifampiresaka an-telefaonina i Joe Biden filoha Amerikana sy Vladimir Poutine .Efa nihaona ihany koa ny Chancelier Alemana sy ny filoha Amerikana.Ny minisitry ny raharaham-bahiny Rosiana efa nifampidinika tamin’ny sekreteram-panjakana Amerikanina sy ny avy ao amin’ny vondrona eoropeana, saingy tsy misy hatreto aloha ny vahaolana. Manahy mafy ny Amerikana fa tena hanafika an’i Ukraine ny tafika Rosiana ary mety daroka baomba ataon’ireo fiaramanidina miady no hanombohana izany raha ny vinavinan’ny Amerikana.Mitohy hatrany ny resaka ara-diplaomatika saingy mitady ho resaky ny moana sy ny marenina.Ny fitobiana miaramila Rosiana 100 000 amin’ny sisin-tanin’i Ukraine moa no nahatonga izao krizy izao ; nanampy izay dia mbola nanomboka sarin’ady miaraka amin’i Bielorussie ihany ka ny Rosiana.Mamiahiahy ny Eoropeana tandrefana sy ny Amerikana izany fihetsiketsehana rehetra izany.

« PASSE VACCINAL »
MIHA MAHAZO VAHANA NY FANOHERANA AZY ANY CANADA
2600 hatreto ny contravention nozarain’ny polisy Kanadianina tamin’ny mpitondra kamiao manao fihetsiketsehana ho fanoherana ny “passé vaccinal”.Nanenjana ny fanarahamaso moa ny fanjakana any an-toerana mba hanamarinana hoe vita vaksiny ve sa tsia ireo mpitondra kamiao avy any Etazonnia miditra any Canada.Io no niatombohan’ny olana, aza teriterena izahay hoy ireo mitondra kamiao.15 andro izao no nitokona tao Ottawa izy ireo ary mbola tonga indray ny olona mmaro nanatevin-daharana ny hetsika nanomboka ny sabotsy lasa teo. Manomboka misy akony amin’ny fiainan’ny mponina andavanandro ny hetsika.Efa niitatra any Frantsa sy Nouvelle Zelande ihany koa ity hetsika fanoherana ny “passe vaccinal” ity.Ny tany moa Frantsa tonga dia niditra an-tsehatra nanaparitaka ireo mpanao fihetsiketsehana saika hiditra tao Paris ny mpitandro filaminana ka olona 97 no nosamborina satria tsy nahazoana alalana avy amin’ny prefektiora ny diabe saika natao.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT