Any Ivelany

Korea Avaratra Tsy hay na maty na velona I Kim Jung-Un


  • Alatsinainy 27 Aprily 2020

Miely amin’ny haino amanjery maro any ivelany ny resabe momba toe-pahasalaman’i Kim Jong-Un (36 taona), mpitondra an’i Korea Avaratra, nandova Fanjakana tamin’ny Rainy sy Raibeny.

 

 

 

 

 

Ao ny milaza fa nodimandry izy. Misy ny miteny fa tazonina amin’ny milina fameloman’aina ny fony. Ilay mpitsabo havanana any Korea Avaratra, izay nosafidiana manokana hitsabo azy naneho, fa nisy tsy tomombana araka ny tokony ho izy ny fandidiana ny fony ny alahady 12 aprily lasa teo tany Hyangsan, avaratr' i Pyongyang. Izay tsy fetezana izay no mety nitarika ny fahafatesany, raha toa ka marim-pototra ireo vaovao miely. Nanamafy ny ahiahy ny fandefasan’ny governemanta sinoa sabotsy ireo iraka manam-pahaizana momba ny fitsaboana ho any Korea Avaratra, hanaramaso akaiky ny toe-pahasalaman’i Kim Jong-un, araka ny fitantaran’ny televiziona Sinoa CCTV azy. Ny 11 aprily azy no nahitan’ny azy farany niseho vahoaka.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT