Any Ivelany

Kolikoly sy fanaovana tsindry bokotra Hotsaraina afaka 1 volana i Nicolas Sarkozy


  • Alakamisy 20 Jona 2019

Neken’ny Fitsarana Frantsay avy hatrany ny fandefasana an’i Nicolas Sarkozy hotsaraina eny amin’ny Tribonaly.

 

 Henjehina noho ny "kolikoly" tamina mpitsara ambony ao amin'ny Fitsarana mpandrava didy, izay tratra tamin’ny alalan’ny fihainoana ny antso an-telefaonina izy. Nolavin’io rafi-pitsarana io ny talata  teo ny fampiakarana farany nataony sy ny mpisolovava azy, Thierry Herzog, ny mpitsara ambony teo aloha Gilbert Azibert, mba hialany amin'ny fitsarana ny raharaha "kolikoly" sy ny fampitenenana ny anarany izay miendrika fanararaotam-pahefana. Henjehina ihany koa amin’ny raharaha Bygmalion izy, mahakasika raharaham-bola sy hosoka tamina faktiora sy ny raharaham-pifidianana filoham-pirenena nisiana famatsiam-bola Lybianina 50 tapitrisa Euros. Azontsika alaina tahaka ny zavatra tahaka izao hoe : rehefa nanao kolikoly na iza na iza dia henjehina sy mandalo fitsarana tahaka ny rehetra fa tsy misy pitsopitsony sy hanaovana fitsarana manokana, toy ny HCJ (Haute Cours de Justice) ho an’ny mpitondra ambony, izay efa nolazain’ny filohan’ny Sendikan’ny Mpitsara Atoa Clément Jaona fa mila foanana.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT