Any Ivelany

Johnny Hallyday Ifandroritan’ireo zanany ny fananany


  • Talata 13 Febroary 2018

Niseho masoandro ny fizarazarana eo amin’ny fianakavian’i Johnny Hallyday mahakasika ny didy miafina nataon’ity mpanakanto ity izay nodimandry ny 6 desambra teo momba ny fizarana ny fananany.

 

 Tsy manaiky ity didy miafina ity moa ny zanaka vavin’ity mpanakanto ity Laura Smet, raha ny nambaran’ny mpisolovavany ny alatsinainy teo. Ity didy miafina ity moa izay milaza fa ny fananan’i Johnny Hallyday sy ireo zo amin’ny maha artista azy rehetra dia an’ilay vadiny farany Laeticia ary raha misy ny fahafatesan’ity vady navelany ity dia ny zanany vavy 2 dia i Jade sy Joy no mandova ary zara mitovy. Ity didy miafina ity moa dia manaraka ny lalàn’ny fanjakan’i kalifornia (Etaazonia) izay mifanohitra tanteraka amin’ny lalàna Frantsay. Teraka noho izany ny disadisa amin’ireto fianakaviana ireto ka hisy ny fampiakarana ny raharaha eny amin’ny fitsarana.

Afrika Atsimo

Akaiky ny farany ho an’ny filoha Zuma

 

Nivory omaly ireo mpitarika ny antoko ANC ao Afrika atsimo ka lahadinika lehibe tamin’izany ny mety ho fanilihana ny filoha Jacob Zuma; voaresaka any an-toerana ihany koa ny hanatanterahana fifidianana solombavambahoaka mialoha ny fotoana.Malaza ratsy amina raharahana kolikoly i Jacob Zuma ary vesatra tsy latsaky ny 18 no miandry azy eny amin’ny fitsarana.Mahatezitra ny afrikanina tatsimo ihany koa ny filibany miaraka amin’ireo vadiny 4 sy ny zanany efa ho 21; mandany volam-panjakana fotsiny hoy ny olona.Miezaka mafy mifampiraharaha amin’ny ANC ny filoha Zuma mba hahazo ilay zo miaro azy amin’ny fanenjehana ara-pitsarana.Mbola tantara mitohy.


Tiorkia sy Etazonia

Mandalo fotoan-tsarotra ny fifandraisana

 

Nanambara ny minisitry ny raharaham-bahiny Tiorka Mevlüt Cavusoglu ny alatsinainy teo nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety tany Istanbul mialoha ny hahatongavan’ny sekreteram-panjakana Amerikanina  Rex Tillerson any Ankara amin’ity herinandro ity,fa manoloana ireo kiana mahakasika ny fifandraisan’i Tiorka sy Etazonia dia na ho hamafisina ny fifandraisana na ho rava tanteraka. Nanomboka ny volana jolay 2016 no efa nisy ny fihenjanana teo amin’i Ankara sy Washington noho ny fanohanan’ireto farany ireo milisy Kiorda Sirianina izay noheverin’ny Tiorka fa mpampihorohoro ka notafihan’ny tafika Tiorka. Niantso ny tafika amerikanina moa ny filoha Tiorka Recep Tayyip Erdogan ny mba hialany ny tanànan’i Minjeb hialana amin’ny fifandonana mivantana eo amin’ny tafika Amerikanina sy Tiorka izay mpiara-dia ao amin’ny tafiky ny Otan

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT