Any Ivelany

Johnny Halliday Matin’ny homamiadan’ny avokavoka


  • Alakamisy 07 Desambra 2017

Nodimandry ny alin’ny talata hifoha alarobia teo amin’ny faha-74 taonany ilay mpihira Rock Frantsay malaza, Johnny Halliday na Jean-Philippe Léo Smet amin’ny anarany feno.

Homamiadan’ny avokavoka no nahafaty azy. Efa narary fotoana maharitra i Johnny ary matetika no voatery niditra hopitaly. Frantsay metisy Belza ny tenany. Izy no sokajiana ho mpihira Frantsay goavana indrindra ary nahavita seho sy fampisehoana goavana indrindra ihany koa. I Jhonny no artista nisantatra voalohany ny Stade de France tamin’ilay fampisehoana goavana « Allumez le feu ». Very olomanga, very olo-malaza i Frantsa ary samy naneho ny alahelony ny Frantsay, hatramin’ny filoha Emmanuel Macron. Namoaka rakikira 50 noketrehana tanaty Studio i Johnny Halliday, niampy rakikira mirakitra ny fampisehoana an-tsehatra miisa 29 ary namoaka horonantsary (clip) 150. Nahalafo rakikira manodidina ny 100 tapitrisa manerantany ity andrarezin’ny mozika Rock Frantsay ity. Roapolo taona no niarahany tamin’ny vadiny voalohany dia i Sylvie Vartan. Niteraka iray izy roa (David Halliday). Ny taona 1996 kosa izy no nanambady an’i Laeticia Boudou ary fantatra fa niaina tao anatin’ny fitiavana tokoa izy roa ary nisafidy ny nanangan-jaza mirahavavy avy any Vietnam. Hira tsy afaka am-bavan’ny maro amina firenena maro manerantany, indrindra ny firenena Frankofona tahaka an’i Madagasikara i : L’idole des jeunes, que je t’aime, souvenir souvenir,  Retiens la nuit, Laura, Chanteur Abandonné, Le pénitencier, Je te Promets …Ampahany kely amin’ireo hira 1000 nokaloin’i Johnny halliday ireo ary tena manamarika ny tantaran’ny mozika Frantsay.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT