Any Ivelany

Johnny Clegg Matin’ny homamiadana


  • Alarobia 17 Jolay 2019

Nodimandry teo amin’ny faha-66 taonany noho ny homamiadana nahazo azy ilay mpihira Afrikanina tatsimo fanta-daza Johnny Clegg. Ilay hira natolony manokana ho an’i Nelson Mandela mitondra ny lohateny hoe :

 

 

 « Asimbonanga » no tena nahafantaran’izao tontolo izao azy. Le Zoulou Blanc no niantsoana azy noho izy fotsy hoditra kanefa tena nitolona ho amin’ny fanajana ny zon’ny mainty hoditra ary nanohitra ny fanavakavaham-bolonkoditra tany Afrika atsimo. Tsy nahazo nandeha tany Afrika atsimo tamin’ny fiandohan’ny taona 80 ny hirany saingy kosa efa niparitaka tany Eoropa sy Amerika ary tena nankafizin’ny olona. Ny taona 1987 moa izy no nanoratra an’i « Asimbonanga » izay hira natolony manokana ho an’i Nelson Mandela ary nitaky ny fivoahan’ity farany ny fonja. Teraka tany Angletera i Johnny Clegg ary teo amin’ny faha-6 taonany no tonga voalohany tany Afrika atsimo. Niverina tany indray fony izy zatovo ary nahita ny tena zava-nisy marina, nifanerasera tamin’ireo Afrikanina tatsimo avy ao amin’ny foko Zoulou izy, lasa nifandray tamin’izy ireo ka nianatra ny fombany, ny fiteniny ary ny dihy nentin-drazany. Nianatra manokana ny fomba fitendry gitara Zoulou ihany koa izy ary nianatra manokana ny momba ny foko Zoulou teny amin’ny oniversite. Ny taona 2018 no nilaza voalohany i Johnny Clegg fa voan’ny homamiadana. Nambarany tamin’izany fa mahalala tsara ny fianakaviako, hoy izy fa efa akaiky ny farany. Herintaona latsaka kely taty aoriana izy dia izao nodimandry izao.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT