Voafidy ho Filoha faha-46 any Etazonia Joseph Robinette Biden na I Joe Biden 78 taona amin’ny 20 novambra izao, Kandidan’ny Antoko Demokraty.
Loholona demokraty voafidy tany Deleware nandritra ny 36 taona nanomboka teo amin’ny faha-31 taonany i Biden, filoha lefitra Amerikanina tamin’ny fitondran’i Barack Obama (2008-2016). 290 ny mpifidy vaventy azony, 214 kosa ny an’i Donald Trump. Efa samy nitatitra ny fandreseny avokoa ireo fampahalalam-baovao tandrefana matanjaka, toy ny CNN, The New York Times, BBC, NBC News, CBS,... na eo aza ny mbola tsy faneken’i Donald Trump sy ny tsy fahatokisany ny vokatra tany Georgie, Pennsylvanie, Nevada, Arizona,… izay teo am-pilalaovana taranja Golf izy no nandre ny vokatra. Efa maro ihany koa ny fiarahabana nataon’ireo Filoham-panjakana sy olona ambony maro maneran-tany noho ny fandresena miezinezina azon’i Joe Biden. Izy no filoha Amerikanna faharoa Katolika taorian’i John Fitzgerald Kennedy.
FIDIRANA AMIN’NY LAMINA VAOVAO MANERAN-TANY ?
Nirona kokoa tamin’i Joe Biden ny antsoina hoe: “système”, izay karazana rafitra na lamina matanjaka maneran-tany. Tsy nety tamin’io ny politikam-pitantanan’I Donald Trump, ary azo sokajiana ho “anti-système” izy, izay niady tamin’ny OMS, nanamaivana ny politika momba ny ady amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro, nanohana ny fialan’i Grande Bretagne tamin’ny vondrona Eoropeanina (Brexit), nanamafy ny ady ara-barotra tamin’ny sinoa, manohitra ny fiarahan’ny mitovy fananahana , tsy manaiky ny fanalalahana ny fanalan-jaza,… Saika nanenjika faratampony an’i Donald Trump ny fampahalalam-baovao Tandrefana ka isan’ny namelezana azy ny resaka covid-19 izay ny Amerikanina no voa indrindra, ary nanohana kokoa an’i Joe Biden. Mirona kokoa amin’ny resaka fahalalahana kosa ny politikan’ny demokraty, ary maro no mihevitra fa kihon-dàlana mankany amin’ny lamina vaovao maneran-tany na ny “nouvel ordre mondial” ny fahalaniany.
NIANTSO FAMPIHAVANAM-PIRENENA
Antso fiombonana no nataon’i Joe Biden sy Kamala Harris tamin’ny kabarim-pandresena na “victory speech” omaly. Nanome toky fa tsy hitondra fampizarazana i Joe Biden, tsy maintsy hatsahatra ny fanasokajiana ny mpanohitra ho fahavalo, ary fotoana hitsaboana an’i Etazonia izao na hoe: “time to heal the U.S”, hoy izy. Iankinan’ny ho avin’izao tontolo izao ny fifidianana vita sy ny ho politikan’ny Amerikanina. Na ny demokraty no hitondra eo Repoblikanina, dia mazava foana ny politikan’izy ireo fa iray ihany i Etazonia, iray ny vahoaka Amerikanina, ka ny tombotsoan’ny firenena no ambony indrindra. Ny resaka politika anatiny sy iraisam-pirenena no mety haha samihafa azy, izay mety hirona betsaka amin’ny fanalalahana na ara-politika, ara-toekarena, ara-kolontsaina,… ny Fitantanan’i Joe Biden sy Kamala Harris, ilay vehivavy voalohany mainty fihodirana hitana ny toeran’ny Filoha Lefitra any Etazonia. Ny 20 janoary 2021 no handray ny fahefana i Joe Biden, raha tsy misy ny sampona. Hitodika any hatrany ny Mason’izao tontolo izao!
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.