Any Ivelany

Joe Biden kandida ho filoha Amerikanina Misy manenjika ho nanao fanararaotana ara-nofo


  • Sabotsy 09 Mey 2020

Na mbola ady tsy fanta-piafarana aza hatreto ny resaka Coronavirus, dia efa manomboka mifantoka amin’ny fifidianana Filoham-pirenena afaka enim-bolana ny any Etazonia firenena isan’ny be matin’io valanaretina io.

 

 

 

 

 

Mifoha ny karazana ampamoaka hoentina mifamango, ka tratran’izany i Joe Biden. Vehivavy iray niara-niasa taminy no miteny amin’izao fotoana izao fa nanaovany fanararaotana ara-nofo tany amin’ny taona 1990. Namaly izany ofisialy izy omaly, ka naneho fa tsy nisy izany, ary tsy hisy mandrakizay. Lehiben’ny diplaomasia Amerikanina tamin’ny andron’I Barack Obama moa i Joe Biden ary ho kandida tena matanjaka avy amin’ny Antoko Demokraty hifanandrina amin’i Donald Trump. Mitana ny sain’izao tontolo izao hatrany ny fifidianana izay ho filoha Amerikanina.

 Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT