Any Ivelany

JEFF BEZOS Nitombo 24 miliara dolara ny hareny


  • Alakamisy 16 Aprily 2020

Mahatratra 553 miliara dolara ny fantiantoka ny fihenan’ny haren’ny mpanefoefo 500 eto ambonin’ny tany noho ny coronavirus.

 

 

Niakatra be kosa anefa ny an’ilay Amerikanina miliardera mpanefoefo indrindra eto ambonin’ny tany Jeff Bezos. Nambaran’ny Bloomberg Billionaires Index, fa nisy fitomboana 24 miliara dolara be izao ny haren’ity tompon’ny tranonkala Amazon ity hatramin’ny niantombohan’ny krizy ara-pahasalamana. Niakatra ho 138 milara dolara ny tomban’ny hareny. Ny firoboroboan’ny varotra amin’ny tranonkala Amazon no mahatonga izany satria tena miasa be ny internet noho ny fihibohana. 100 000 ny mpiasa efa nampidirin’ny Amazon tany am-piandohana, ary mbola hiampy 75 000 izany. Hikatona mandritra ny 5 andro anefa ny tranokala Amazon amin’ny teny Frantsay noho ny fahazoany fampitandremana ara-pitsarana.

 

Frantsa

1438 no maty tao anatin’ny iray andro

Mahatratra 2 006 513 ny olona voa maneran-tany omaly alina tamin’ny 10ora, 128886 ny maty, ary 501 758 no sitrana. 17 167 ny isan’ny maty ho an’ny Frantsay, ka ny 1438 tamin’ireo dia tao anatin’ny 24 ora avokoa. Avo roa heny latsaka kely amin’ny andro teo alohany, izay 762 tao anatin’ny iray andro. Ny 7 aprily rehefa natambatra ny isa no nisy isa mitovitovy amin’io satria nahatratra 1417. Mahatratra 106 206 ny olona voa any Frantsa, ka ny 2633 amin’ireo dia tao anatin’ny 24ora monja. Mihoatra ny 2000 ireo olona marary any amin’ny toeram-pameloman’aina.

 

Allemagne

 285 tao anatin’ny 24 ora

Io 285 izay isa omaly no isan’ny maty betsaka indrindra tao anatin’ny iray andro an’i Allemagne, raha toa ka 170 ny maty afak’omaly. Ny 10 aprily teo no tafiakatra 266 no isan’ny maty, ary io nihoarana omaly io. Efa 3254 no maty tany amin’ity firenena ity, ary 127 684 kosa ny olona voamarina fa efa tratry ny coronavirus, raha toa ka 72 600 kosa no efa sitrana.

 

Rosia

 Latsaky ny 200 ny maty rehetra

170 hatreto ny fitambaran’ny olona maty any Rosia raha ny antontan’isa farany ny 14 aprily teo. 21102 ny voa, ary 1694 ny efa sitrana. Ny firenena Rosianina tarihin’ny Filohany Vladimir Poutine no isan’ny tena hentitra indrindra tany Eoropa tamin’ny fisorohana ny coronavirus. Nampiasa ny fomba rehetra, toy ny famoahana ireo biby tigra hihinana izay tsy manaja ny fihibohana, nampiasa “cameras de surveillance” hatrany amin’ny 1 hetsy hanaraha-maso ny olona,… Misy vokany ny fanajana ny fihibohana noho ny fepetra hentitra, raha mitaha ny any Italie, Espagne, France,…

 

Emmanuel Macron

Resy lahatra amin’ny fahaizan'ny Pr  Raoult

 Nosokajian’ny Filoha Frantsay ho isan’ireo siantifika manana ny maha izy azy na “grand scientifique” ilay Profesora Didier Raoult, ka anaovana andrana ny fitsaboana nentiny, izay mifototra amin’ny Hydroxychloroquine. Andao hatao handroso, haseho ny fahompiazany ary horefesina ny mety ho fahapoizinana hoentiny, hoy ny fanambaran’i Emmanuel Macron tamin’ny RFI omaly alarobia. EfA nisy moa ny fitsidihan’i Macron ny toeram-piasan’i Didier Raoult tany Marseille andro vitsy izay, izay tsy mbola midika velively ho fametrahana ny fitsaboany ho ofisialy, saingy io efa manosika sy manohana mafy azy izany izao ny fanjakana.

 

Nangonin’i Toky

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • MOYEN ORIENT
  • Talata 21 Aprily 2026

Mikatso ny diplaomasia, ambivitra

  • Ady any Moyen-Orient
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Miakatra ny vidim-piainana

  • NEPAL, 7 volana aty
  • Zoma 03 Aprily 2026

aorian’ny tolona Mivadika ho hery politika

  • ADY ANY IRAN
  • Alarobia 25 Martsa 2026

Mihamafy hatrany ny fifandonana,

  • ADIN'NY AMERIKANA SY ISRAËLY
  • Alakamisy 05 Martsa 2026

AMIN'I IRAN

Hijery ny tohiny
FTT