Any Ivelany

Ivankà Trump Nataon’ny olona fanalàna tao amin'ny Instagram


  • Alarobia 03 Jolay 2019

Niteraka resabe ny fihetsik`i Ivanka Trump, zanaka vavin`i Donald Trump filoha amerikanina, taorian’ny famoahany horonantsary mampiseho azy nanapaka ny resak’ireo mpitarika iraisam-pirenena nandritra ny fihaonambe tamin’ny G20 tany Japon.

 Mampiseho an'i Ivanka Trump nikasa hanakana ny fifanakalozan-kevitra tsy ara-potoana nisy teo amin'ny praiminisitra Britanika Theresa May, praiminisitra Canadiana Justin Trudeau, ny filoha frantsay Emmanuel Macron sy ny lehiben'ny IMF Christine Lagarde ny horonantsary. Tao ny nanakiana tao amin`ny tambajotra serasera Instagram fa nisy ireo nahatsapa fa tsy moramora ny asa sahaniny ka nankahery azy, toa an’i Alexia Ocasio-Cortez, tanora voafidy ho Demokraty vao haingana ao Etazonia. Nambarany fa "Mety ho manohina ny maro ny fihetsiny(Ivanka Trump), tsy midika akory hoe zanaka vavin’ny filoha dia tsy maintsy manana fahaizana matihanina foana. Tsia, tsy maintsy misy foana ny lesoka indraindray. Mbola tanora ny tenany, mbola maro ireo zavatra tsy hainy. Ny tranga tahaka izao dia misy hoentiny hakana lesona tsara".

Marigny A. 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT