Niditra tamin'ny andro fahenina omaly ny fifandonan’i Israel sy Iran, izay ady stratejika
sy ahiana hisy akony goavana maneran-tany. Hatramin’ny omaly, tafakatra 585 ny Iranianina maty ary 1,326 no naratra. Ny ankamaroan'ireo lasibatra dia sivily sy miaramila. 24 eo kosa ny Isralianina maty ary 500 naratra. Nampiasa fiaramanidina mpiady sy drôna nanapoahana toerana stratejika ao Iran ny Israelianiana, ka anisan'izany ny «Centrifuge » toeram-pikarohana sy fampitomboana Uranium tao Téhéran sy Karaj, ny toeram-pikarohana nokleary sy toeram-pamokarana balistika any Tabriz, Natanz, Iran: Voakasika ny foibe fanatsarana uranium, izay nahitana fahasimbana goavana, toeram-pamokarana nokleary sy fotodrafitrasa ara-miaramila any Isfahan, toeram-pamokarana nokleary sy fotodrafitrasa ara-miaramila tao Arak, toeram-pitehirizana balistika tao Kermanshah akaikin'ny sisintany amin'i Iraka,… Namaly tamin'ny baomba balistika sy drôna kosa ny Iraninianina ka anisan’ny tena nasiany i izay nahavo an’i Tel Aviv sy Haifa. Nampiasa Fattah-1, baomba « hypersonique » izay sarotra sakanana ny Iranianina. Nahapotika zavatra maro ny Israelianina, saingy miha sahirankirana ihany koa amin’ny fiarovana amin’ny fidiran’ireo balafomanga iraniana.
MIHAMAFY NY FIFANDRAHONANA
Nampitandrina an'i Iran fa tsy tokony hanohitra ny tombontsoan'ny Amerikana any amin'ny faritra, saingy mbola tsy niditra an-tsehatra mivantana. Valin-kafatra mahery vaika kosa no nataon’ny Ayatollah Ali Khamenei, izay nilaza hoe : « tsy hilavo lefona i Iran, hanao fanafihana tsy misy indrafo an’i Israel. Tsy ho takatry ny saina ny valy bontana ataon’i Iran raha mikasa hiditra amin’izao ady izao i Etazonia ». Naneho ahiahy amin'ny fidiran'i Etazonia amin'ny ady I Rosia, nanomboka namoaka olom-pireneny avy any Iran noho ny tahotra amin'ny fivoaran'ny ady i Chine. Nanamafy ny Praiminisitra Israelianina Benjamin Netanyahu fa hanohy ny fanafihana amin'ny toerana stratejika ao Iran, anisan'izany ny foibe ara-piarovana anatiny sy ny toeram-pamokarana nokleary. "Hataonay izay hanohizana ny fanafihana amin'ny toerana manan-danja ao Iran. Tsy hijanona izahay raha mbola misy fandrahonana amin'ny fiarovana an'i Israel.", hoy izy.
METY HO TAFAKATRA 80-100 DOLARA NY BARILAN’NY SOLIKA
10% eo ny fiakaran’ny vidin-tsolika hatramin'ny nanombohan'ny ady tamin'ny 13 Jona 2025, ary mbola tsy nidina. Ny « Brent crude » dia tafakatra 78 dolara ny barila 74 dolara koa WTI (West Texas Intermediate). Raha mitohy ny fifandonana, dia mety hiakatra hatrany amin'ny 80-100 dolara isaky ny barila. Mihamafy ny fiantraikan’ny ady amin’ny toekarena sy ny fifandraisana iraisam-pirenena.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.