ISRAEL MANAFIKA ANY LIBAN

Rehefa valaka ny Hamas, anjaran’ny Hezbollah indray izao


  • Alarobia 02 Oktobra 2024

Mafana ny fifandonana eo amin’ny tafika Israeliana sy ny miaramilan’ny Hezbollah any atsimon’i Liban efa

nanomboka ny alatsinainy alina. Miditra amina dingana manaraka ny ady ka dia niroso tamin’ny fanafihana an-tanety i Tsahal na ny tafika Israeliana amin’ny ady ataony amin’ny vondrona Hezbollah.Niantso ny olona mba tsy hivezivezy any amin’ny faritra atsimon’i Liban izy ireo.Ahiana mantsy hoy izy ireo fa mampiasa ny sivily ho fiarovana azy ny Hezbollah.Niantso ireo mponina amina tanàna miisa 28 any atsimon’i Liban fa hifindra monina any avaratry ny renirano Awali ny tafika Israeliana androany maraina.Antso izay midika fa ho mafy ny fanafihana sy ny fifandonana. Rehefa avy nandravarava sy niezaka namotika ny vondrona Hamas izany ny tafika Israeliana, antsoina ihany koa hoe Tsahal dia mifindra lasy any Liban indray ny ady, ka lasibatra manaraka ny vondrona Hezbollah ary iny maty voadaroka baomba ny faran’ny herinandro lasa teo inay ny lehibeny Hassan Nasrallah .Tanjon’izao fanafihana any Liban izao raha araka ny nambaran’ny minisitry ny fiarovana Israeliana ny hamotehana ireo fotodrafitrasa naorin’ny Hezbollah tao anatinny 20 taona. Fa eo ihany koa ny hoe famerenana amin’ny trano fonenany ireo teratany Israeliana monina avaratr’i Israel.Misy 100 000 amin’izy ireo no voatery nifindra monina mantsy noho ny tsy fandriampahalemana. Tafiditra ao anatin’ny paikady ihany koa hoy ireo mpandinika ny toe-draharaha iraisam-pirenena ny fametrahana faritra azo antoka manelanelana an’i Liban sy Israel izay toa midika hoe misy Israeliana haka toerana ary honina ao. Fa raha ara-tekinika sy ara-miaramila indray dia mazava be ny anton’ny opération "Guerre de l'épée de fer" natao tamin’ny Hamas tany Gaza sy ny opération "Flèches du nord" atao any Liban iadiana amin’ny Hezbollah fa dia ady famotehana sy famongorana hatramin’ny fotony ireto vondrona 2 ireto izay efa mpifahavalo tamin’i Israel hatry ny ela.
RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Ady any Moyen-Orient
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Miakatra ny vidim-piainana

  • NEPAL, 7 volana aty
  • Zoma 03 Aprily 2026

aorian’ny tolona Mivadika ho hery politika

  • ADY ANY IRAN
  • Alarobia 25 Martsa 2026

Mihamafy hatrany ny fifandonana,

  • ADIN'NY AMERIKANA SY ISRAËLY
  • Alakamisy 05 Martsa 2026

AMIN'I IRAN

  • Dimy andro
  • Alakamisy 05 Martsa 2026

aty aorian’ny fipoahany

Hijery ny tohiny
FTT