Any Ivelany

Isan`ny mponina maneran-tany Hiakatra 9,7 lavitrisa amin`ny 2050


  • Alarobia 19 Jona 2019

Araka ny tatitra navoakan`ny Firenena Mikambana (ONU) ny alatsinainy lasa teo, hahatratra 9,7 lavitrisa ny isan`ny mponina maneran-tany amin`ny taona 2050 raha toa ka 7,7 lavitrisa ankehitriny kanefa tokony ho avo roa heny.

 

 

 

 Antony, miha milatsaka ny taham-piterahana.  Raha vinavinaina dia ahiana hitombo isa hatramin`ny 11 lavitrisa izany amin`ny taona 2100. Mitombo isa hatrany ireo firenena mihavitsy mponina, hoy ny ONU. Nanomboka ny taona 2010, miisa 27 ireo firenena nahitana fihenana 1% eo amin`ny mponina ao aminy. Ho an`ny firenena sinoa manokana, ahiana  hilatsaka 31,4 tapitrisa ny isan`ny mponina, izany hoe 2,2% hatramin`ny 2050. Firenena ahitana fitomboan’isan`ny mponina ao aminy kosa i Estonia, Alemaina, Italia, Rosia, Serbia noho ny fisian`ireo mpifindra monina ao aminy. Firenena sivy kosa no tena arahina akaiky hatramin`ny taona 2050, dia i India, Nigeria, Pakistan, RD Congo, Ethiopia, Tanzania, Indonezia, Egypta ary Etazonia.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT