Nahita marimaritra iraisana ny amin’ny fomba hakana hetra amin’ireo orinasa goavana miasa momba ny nomerika ireo minisitry ny vola avy amin’ny firenena 7 manankarena indrindra eto ambonin’ny tany izay nivory tany Chantilly – Paris Frantsa omaly.
Tsara iny dingana iray vita iny, hoy i Steven Mnuchin, sekreteram-panjakana Amerikanina momba ny vola na dia maro aza ny asa hafa mbola miandry. Somary manana olana amin’ny Frantsay sy ny Anglisy moa ny Amerikanina momba ity haba alaina amin’ny nomerika ity. Tanjona amin’izao fifanarahana izao ny hanerena amin’izay ireo orinasa goavana momba ny teknolojia mba handoa hetra fa tsy hametraka fotsiny ny vola be azon’izy ireo any amin’ireo firenena tsy mitaky hetra sy haba na Paradis Fiscaux. Anisan’ny sehatra mampidi-bola be indrindra eto ambonin’ny tany ny teknolojia sy ny nomerika ary mpanefoefo avokoa ny tompon’ireo orinasa mikirakira azy. Nifanaiky ny G7 fa hapetraka ny antsoina hoe : “impot minimal obligatoire” na hetra farafahambaniny tsy maintsy aloa. Natao izany hisorohana ny fifaninanana tsy ara-drariny satria misy ireo firenena manafoana ny hetra momba ny nomerika mba hisintonana ireo orinasa hampiasa vola ao aminy. Ny fanafoanan’i Frantsa io hetra amin’ny nomerika io no nahatezitra ny Amerikanina.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.