Any Ivelany

IDRISSA GUEYE NANDA NY FANAMIANA “ARC EN CIEL” MARO IREO OLO-MALAZA MANOHANA AZY


  • Zoma 20 Mey 2022

Lasa resabe ny tsy fiakaran’ilay mpilalao baolina kitra senegaley, Idrissa Gueye, kianja nandritry ny lalao nataon’ny ekipany dia ny PSG ny alarobia teo noho ny tsy fanekeny hisalotra ny fanamiana Avana na “arc en ciel”

ho fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny LGBT, izany hoe ny fanekena ny fiarahan’ny mitovy fananahana sy fanekena ihany koa ny fanovana ho lehilahy na vehivavy. Miandry ny fanazavana avy amin’ity mpilalao ity moa ny UEFA na ny federasionina eoropeanina. Etsy ankilany kosa dia manohana azy ireo olo-malaza sy manamboninahitra maro toy ny filoham-pirenena senegaley, Macky Sall, sy ilay mpanao Rap Bouba.
MONDIAL QATAR 2022
HISY MPITSARA AFOVOANY 3 MIRAHAVAVY
Sambany hisy vehivavy hitsara ny fiadiana ny amboara eran-tanin’ny baolina kitra, sokajy lehilahy, hatramin'ny taona 1930 nisian’ny andiany voalohany. Hanan-tantara iny fanapahan-kevitry ny federasionina iraisam-pirenena na FIFA iny. Telo mirahavavy izy ireo no ho any Qatar dia i Stéphanie Frappart (Frantsa), Yoshimi Yamashita (Japon) ary Salima Mukansanga (Rwanda).
Nangonin’i J. Mirija
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT