Any Ivelany

Hetsika “Gilets Jaunes” any Frantsa Ahiana hivadika ho revolisionina…


  • Talata 27 Novambra 2018

Mikorontana tanteraka ao Lafrantsa amin`izao fotoana izao manoloana ny hetsiky ny “Gilets Jaunes”.

 Teraka fotsiny ity hetsika ity manoloana ny zava-misy miantraika amin`ny olo-pirenena tsotra fa tsy avy amina fikambanana na antoko politika na avy amina sendikà. Ny fihetsiketsehana nitranga tao Parisy ny sabotsy lasa teo dia hitarafana ny hatezeran`ny ankamaroan`ny frantsay na dia nisy nihoa-pefy aza. Nahitana akony ihany koa ity hetsika “Gilets Jaunes”ity atsy La Reunion andro vitsivitsy izay ka nahitana barazy maro ary mihamafy izany satria tonga hatrany amin`ny fadin-tseranana. Ny kaompania Air Austral dia efa namoaka fanambarana mahakasika izany. Mandalo fotoan-tsarotra ratsy indrindra hatramin'ny taona 1990 no ho mankaty ny mponina ao an-toerana. Ny hetsi-panoherana nateraky ny fihetsiketsehana teraka tany Frantsa dia toy ny fitrandrahana hamelezana ny tsy fahampiana ara-tsosialy ao amin'ity departemanta ampitan-dranomasina ity. Marihana fa 40%-n'ny mponina ao La Réunion no sokajiana  ho sahirana ary mihoatra ny antsasaky ny 25 taona no tsy an'asa. Tsiahivina hatrany fa mahatsiaro sempotra vokatry ny fampiakarana  hetra nalaina amin`ny solika ireo olom-pirenena frantsay ary nampiseho an`izay fahasahiranana tamin`ny fidiana an-dalambe. Ny filoham-pirenena Emmanuel Macron, nandritra ny fitetezam-paritra nataony tany Lafrantsa dia efa niteny fa azony tanteraka ny ahiahin’ny olo-pirenena saingy tsy nametraka mazava ny fepetra horaisiny manoloana izay. Niandry mafy ny fepetra horaisin`ny governemanta entina hamahana ity olana goavana ity ny ankamaroan`ny frantsay. Miandry fatratra ny fanambarana izay ataon`ny filoham-pirenena frantsay manoloana ny olan`ny vahoaka. Raha tsy misy fiovana, hiresaka amin`ny fahitalavitra anio Atoa Emmanuel Macron ka raha tsy mahavita mamaha ity olana ity dia ahiana hivadika ho revolosionina na fitakiana fanovana tanteraka ny hetsika.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT